airtel

Politique

02-août-2021

Politique

Fifofoana aina manampahefana 5 no nokendrena hovonoina, 21 voasambotra

Sample post image

Taorian’ny fanambarana ofisialy ny 21 jolay ny fahasamborana ireo olona noahiahiana voalohany tamin’ilay raharaha famonoana ny Filoham-pirenena,

02-août-2021

 dia namoaka fampitam-baovao ofisialy fanindroany ny Tonia Mpampanoa ambony eo anivon’ny fitsarana ambony Rtoa Berthine Razafiarivony omaly 01 aogositra, fa tafiakatra 21 ny nosamborina sy hanaovana fanadihadiana, ka 14 amin’ireo no atao andrimaso. Misy teratany Frantsay ny iray, ary Malagasy mizaka zom-pirenena Frantsay ny iray, miaramila sy zandary am-perin’asa 12 voasaringotra: 5 jeneraly, 2 kapiteny, ary 5 manamboninahitra lefitra. Misy zandary sy miaramila 4 efa misotro ronono ihany koa, ary sivily 5. Olona ambony 5 no nokendrena tao anatin’io ambara fa fikasana hamono mpitondra ambony antsoina hoe: “Appolo 21” io, ka tafiditra ao anatin’izany ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina. Ny porofo ara-materialy eo am-pelatanana, dia ahafahana mamantatra ny tena atidoha an’io famonoana olona ambony sy fanonganam-panjakana io, hoy ny fampahalalam-baovaom-panjakana Dépêche Informative Taratra omaly. Nambaran-dRtoa Berthine Razafiarivony, fa tamin’ny fiasavana trano nataon’ny mpitandro filaminana tamin’ireo tena noahiahiana voalohany, dia nahatrarana vola 900 tapitrisa, nogiazana niaraka tamin’ny fiara Patrol sy Nissan Hard body, basy fusil à pompe calibre 12 niaraka tamina bala miisa 6, solosaina sy finday, fitaovana informatika. Ny fitsirihana ny fitaovana informatika izay an’ireo lehilahy roa voasambotra ireo dia nahitana fifanakalozana “SMS” sy antontantan-taratasy maromaro maneho ny fikasan’izy ireo, ka anisan’izany ny antontan-taratasy antsoina hoe: “Budget du projet Appolo 21” izay manazava ireo planina stratejika sy politika. Tao no nahitana fa olona 5 no nokendrena hovonoina, ahafaha-maka ny fahefana. Nambarany ihany koa ny fahitana ilay hafatra nianterafa tamin’ny kaompania mpitrandraka solika nangatahana famatsiam-bola. Tao ihany koa ny fisiana fifandraisana maro tamin’ny alalan’ny hafatra mifandraika amina olona ambony maro amina andrim-panjakana maro sy olon-tsotra.
ANARANA 4 NO TENA NOVOIZINA
Nanipika ny fitsarana fa tokony hajaina ny fiheverina ho toy ny mbola tsy meloka aloha ny voarohirohy hatreto, saingy matetika no efa mivoaka mialohan’ny fotoana amina fampahalalam-baovaom-panjakana ny resaka. Raha 21 no voasambotra, dia anarana olona 5 ihany no toa niniana navoaka sy novoizina tamin’ny fampahalalam-baovao akaiky ny mpitondra dia I Paul Rafanoharana, Philippe François, Sareraka, Mgr Odon Razanakolona. Tsikaritra omaly fa tsy nanonona anarana Ramatoa tonia mpampanoa ambony ary nampatsiahy fa tokony ho tandrovana hatrany ny zon’ireo voarohirohy; ny dikan’izany dia ny hoe : tsy azo heverina ho meloka ny olona iray raha tsy efa nisy didim-pitsarana raikitra nanameloka azy.Tsy mbola nisy fitsarana ny raharaha fifofoana ny ain’ny Filoha hatreto fa anatina fanadihadiana ny mpitandro filaminana amin’izao fotoana. Tamin’ny herinandro lasa iny moa dia nisintona lakolosy momba ny tokony hanajana io zon’ny voarohirohy io ny mpitsara sadyy minisitry ny fitsarana teo aloha Razafindrakoto Noro Harimisa.Tafita izany ny hafatra.
Legende: Ny Tonia Mpampanoa Ambony eo anivon'ny Fitsarana Ambony
Toky R
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Miala any sahady ny lalao maloto ho an’ny fifidianana Solombavambahoaka tanterahina ao anatin’ny distrikan’Avaradrano.

Card image cap
22-avril-2024

Etsy amin’ny La Rotonde Besarety amin’ity tolakandro ity no hifamotoana ireo mpahailalàna,

Card image cap
22-avril-2024

Nafana ny fihetsiketsehana nataon’ny mpitondra notarihin’ny Filoham-pirenena tany

Card image cap
22-avril-2024

Nidina ifotony teny Talatan’i Volonondry sy Ambolo ny kandidan’ny Kolekitifa an’ny

Card image cap