airtel

Politique

03-févr-2022

Politique

Fihetsiketsehana etsy sy eroa Efa miomana amin’ny fifidianana ny AREMA ?

Sample post image

Nitohy ny sabotsy sy ny alahady lasa teo ny asa tanamaro izay nataon’ireo tanora Arema eny ambany tanàna. Ny teny amin’ny boriboritany fahadimy

03-févr-2022

, tao amin’ny fokontany Manjakaray ary tao ankazomanga Atsimo hoan’ny boriboritany faha enina no nanaovana ny asa. Fanadiovana tatatra sy ny lobolobo rehetra no nataon’ireo tanora tamin’izany. Navitrika ireo tanora noho ny fanohanana izay nation-dRamatoa annick ratsiraka sekretera nationalin’ny Antoko arema. Nanamafy ny fahavononany hanao ny asa fanadiovana tahaka izao ireo tanora ireo noho ny fanomezan-tanana izay ataon’ny arema. Nohamafisin’ny sekretera nasionalin’ny antoko Arema ihany koa nandritra io fotoana io fa ho tohizana ny fifaninana tanàna madio amin’ny alaln’ny asa izay ho ataon’ireo tanora ka hisy ny fizarana loka isaky ny 3 volana. Vary iray gony sy voamaina no homena ireo izay mandresy. Tanjona hoy izy ny hisian’ny fahadiovana mandava-toana eny amin’ny faritra Iva sy ho fanentanana ny mponina mba hanaja sy hitandro izany fahadiovana antoky ny fahasalamana izany. Hoan’ny fiarovana ny tontolo ianinana ihany koa dia efa niroso tamin’ny fandavahana ny taninjana-kazo tany Tsiafahy ireo tanora miisa 30 mianadahy ny alahady teo. Ny faha 5 febroary izao moa no hanaovana io fambolen-kazon’ny antoko Arema io. Heverina fa tsy tongatonga ho azy izao fihetsiketsehana ataon’ny antoko Arema izao fa tafiditra tsara mihitsy ao anaty paikady politika; manamboatra ny sariny manoloana ny vahoaka aloha, miezaka maka ny fon’ny olona amina asa sosialy isan-karazany.Aoriana kely ao dia azo antoka fa hanomboka hiresaka toekarena, raharaham-pirenena, ary mazava ho azy fa hiresaka politika. Tsy mbola maty ny antoko Arema nna dia hita ho sahirana mamondron-kery aza, saingy tsapa fa efa mihetsiketsika , ary iza no mahalala raha efa mba miomana amin’ny fifidianana 2023 ihany koa ry zareo.
Toky R
 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

Kandida avy amin’ny antoko AREMA miisa 25 no tsy afaka mandray anajara amin’ny fifidianana ho

Card image cap
18-avril-2024

Nanahirana ny nikarakara ny taratasy filatsahan-kofidiana solombavambahoaka tamin’ity,

Card image cap
18-avril-2024

Tongotra mby an-dakana ny fifidianana Solombavambahoaka hotanterahina ny 29 Mey

Card image cap
18-avril-2024

Rava omaly Alarobia 17 Aprily ny DISTIM teo aloha na ny distrika TIM ao anatin’ny distrikan’Avaradrano.

Card image cap
18-avril-2024

Nivoaka ny alin’ny talata ny lisitr’ireo kandida voatazona hifaninana amin’ny fifidianana hatao ny 29 mey.

Card image cap
18-avril-2024

Manana kianja fa tsy azo hilalaovana, manana kaompania fa tsy misy fiaramanidina,

Card image cap