airtel

Politique

17-mai-2022

Politique

Fihetsiky ny TGV-Mapar Lasa propagandy ho an-dRavalo sy ny TIM

Sample post image

Mihamafy ny tahotra ara-politikan’ny volombosary. Miezaka maneho sary etsy sy eroa amin’ny famoriam-bahoaka tsy hitsitsiana vola aman-karena, mety voafaoka hatramin’ny volam-panjakana aza angamba hoenti-manatanjaka ny antoko TGV,…

17-mai-2022

ka manomboka voizina ny hoe: “1er tour dia vita” amin’ny fifidianana 2023. Ny fitantanana firenena anefa ambony ambany, tsy hita izay tena vokatra entiny, ny vahoaka miha fadiranovana,… Na politika, na diplaomasia, na toekarana,… toa miiba ny naotin’izao fitondrana izao. Etsy andaniny, adin’ny kanosa no hoentina miatrika ny mpifanandrina ara-politika, raha tarafina amin’io karazana hetraketraka sy fanakantsakanana ny TIM etsy sy eroa io. Tena izay ve no vahaolana hoenti-manomana sy miatrika ny fifidianana? Mandeha any Antsiranana, sakanana tsy hanao hetsika ny TIM na ao anaty faritra mihidy aza, fa ny TGV afaka maneho hery mirotsaka an-dalambe. Iny indray omaly sy ny faran’ny herinandro teo ny tany Soavinandriana, izay tratry ny sakantsakana sy ny hetrakatreka hatramin’i Marc Ravalomanana, raha saika hihazo tany an-toerana, saingy tsy nahasakana azy tsy hitaona tamin’ny vahoaka. Nolavin’ny Lehiben’ny distrika ny fangatahana hanao hetsika tao amin’ny Kianja Maitso ao an-toerana. Nambara fa hetsika politika. Milaza anefa ny TIM fa ny alahady dia nisy hetsika nokarakarain’ny TGV tamin’ny toerana izay nangatahan’izy ireo ihany. Rehefa zohiana, toa mivadika ho propagandy ho an’ny TIM sy mampalaza ny Filoha teo aloha Atoa Marc Ravalomanana no ataon’ny TGV na ny Fanjakana tarihin’Atoa Andry Rajoelina. Rehefa zohiana mantsy, vao mainka mampiharihary ny Fanjakana Rajoelina fa tena atahorany mafy i Marc Ravalomanana amin’ny fifidianana matoa sakantsakanana dieny aty am-piandohana. Mipaka any an-tsain’ny olom-pirenena ireny, ary vao mainka lasa propagandy ho an’ny lasibatra satria na tiana na tsy tiana dia olon’ny fo ny Malagasy. Amin’ny sehatry ny politika, arakaraka ny hisomparana sy hihetraketrahana amin’ny olona iray amin’ny zavatra mety hiharihary ho tsy ara-drariny no vao mainka hitiavan’ny olona azy. Firifiry moa ny gadra politika na ny olona nohetraketrahina ara-politika teto no vao nivoaka ny fonja na nohenjehina sy nohetraketrahina no lasa olom-boafidy avy eo. Zavatra efa mateti-piseho io na any ivelany aza, toa ny tantaran’i Nelson Mandela izay avy nigadra vao lasa Filoha.
Toky R
 

 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap
24-avril-2024

Tsy misy intsony ny Fanjakana tan-dalàna ka mijoro ireo mpahay lalàna sy avara-pianarana sy ny vato

Card image cap
24-avril-2024

Namoaka tatitra ny depiote Rahasimanana Paul Bert na Rossy omaly,

Card image cap
24-avril-2024

Hanomboka ny datin’ny 08 ka hatramin’ny 27 Aprily ho avy izao ny

Card image cap
24-avril-2024

Tao anatin’ny hetsika fotsy aho ary mbola anatin’ny fanoherana, hoy ny kandida ho depiote,

Card image cap
24-avril-2024

Novorian’ny Governora Guy Ramarosandratana ireo staff-n’ny faritra Mangoro sy ny Birao politika TGV-Distrika Ambatondrazaka ny takarivan’ny 19 aprily teo.

Card image cap