airtel

Politique

08-avril-2022

Politique

Fiitantanana mivaralila Mpiasam-panjakana ambony maro no efa tena leo

Sample post image

Misy amin’ireo tompon’andraikitra ambony sasany toa ny tale na “chef de service” eny anivon’ny ministera eny no tena sahiran-tsaina amin’izao fotoana

08-avril-2022

.Mahafantatra tsara ny ati-vilany mantsy izy ireo, mahalala tsara ihany koa ny hoe ahoana marina izany hoe fitantanan-draharaham-panjakana izany.Kanefa mahita ny fomba fiasa hafahafa dia sahirana, tsy sahy handeha hanao tahaka ny mpianatra mitaky vatsim-pianarana na tonga miteny tahaka ny mpanohitra noho ny fahatahorana sao voakitikitika ny asa, afindra toerana na mahazo sazy ohatra. Misy amin’ireo tompon’andraikitra ireo noho izany no nisafidy ny hangiana sy tsy hiteny intsony; misy mihitsy aza raha ny re tamin’ireo olona akaiky azy no mahalana vao miakatra birao. Maro ny zavatra tsy mandeha amin’ny laoniny amin’ny fitantanan-draharaham-panjakana eto ary tsy mila hoe manampahaizana be vao mahafantatra an’izany. Tena ho sahirana ny fitondram-panjakana rehefa ela ny ela ka hivoaka amin’ny fahanginany ireo mpiasam-panjakana, mpiasana ministera ireo ka hamaky bantsilana ny tsy mety rehetra; ary moa ve tsy efa endrikendrik’izany va ny mahatonga antontan-taratasy mivoaka tampoka eny amin’ny facebook, ka iny no manainga ny fanadihadiana avy eo ? Ohatra azo raisina amin’izany ny raharaha CNaPS. Tsy hoe masina sy anjekyy ny fitondram-panjakana teo aloha, fa ity fitondrana amin’izao ity kosa efa tena “forme grave”, hoy ny tompon’andraikitra eo anivona ministera iray; izany hoe tena be loatra ny tsy mety sy ny gaboraraka. Antony iray mahatonga ireo tompon’adraikitra sasany tsy hisehoseho ihany koa fa mipiripirina aloha amin’izao fotoana ny hoe raha misy fiovana governemanta na olana politika goavana hitarika any amin’ny fiovan’ny fitondrana mihitsy aza dia tsy te ho ratsy endrika eo anivon’ny fiarahamonina izy ireo.Tsy te hiray tsikombakomba amin’ireo zavatra tsy mety mitranga any anaty departemmanta isanisany any.Mazava ny resaka eto fa manana olana izany ny fitantanan-draharaham-panjakana eto ary miha malemy ny fahefam-panjakana.
RTT
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Miala any sahady ny lalao maloto ho an’ny fifidianana Solombavambahoaka tanterahina ao anatin’ny distrikan’Avaradrano.

Card image cap
22-avril-2024

Etsy amin’ny La Rotonde Besarety amin’ity tolakandro ity no hifamotoana ireo mpahailalàna,

Card image cap
22-avril-2024

Nafana ny fihetsiketsehana nataon’ny mpitondra notarihin’ny Filoham-pirenena tany

Card image cap
22-avril-2024

Nidina ifotony teny Talatan’i Volonondry sy Ambolo ny kandidan’ny Kolekitifa an’ny

Card image cap