airtel

Politique

01-déc-2022

Politique

Fikaonandoham-pirenena Mahatsiaro ho voahilika ny mpandalina nentim-paharazana

Sample post image

Niady hevitra mikasika ny atao hoe politika izahay sy ny mpanao politika iray izay tamin’ny fotoan’androny nisiana fiantsoana ny olompirenena rehetra hanao fikaonandoham-pirenena toy izao,

01-déc-2022

hoy ny mpandalina ny nentim-paharazana, Josephin Andriandrainarivo, omaly. Ny an-drizareo, hoy izy, tonga dia nahitsy hoe ny politika dia fitapitaka, famitaham-bahoaka, fanaparam-pahefana, fangoronan-karena sy ny toy izany rehetra. Tena olona hiatakatahan’ny olona tokoa eto Madagasikara izao raha vao hoe olona be politika. Ilay malagasy 70% izay any ambanivohitra dia mailo raha vao maheno hoe be politika iny. Ilay 30% manao politika eto andrenivohitra no mamadibadika ity fiainana rehetra ity no lasa mibaiko manova fotsiny izao rehefa te hanova zavatra. Ilay 70% ve no miantso fikaonandoham-pirenena sa mbola ao anatin’ilay 30% ihany? Raha io farany io aloha dia ny eo ihany no ho eo. Ohatra fotsiny hoe nangataka izahay mpandalina ny nentim-paharazana hoe andao isika hametraka andro iray ho an’ny malagasy dia ny lohataona. Ny governemanta no efa nahita fa 77% no manaiky ny lohataona no tokony atao andro tsy fiasana fa andron’ny kolontsaina eto Madagasikara. Maninona no tsy mety voapetraka mandrak’ity ny anio? Misy antony ao ambadimbadika ao. Tsy mino aho hoe tsy manam-piniavana hanao izay hahasoa ity firenena ity ireo mpitondra saingy misy tsy hahafahany manohitra izany ao. Isan’ny mba tany Ivato ny tenako tamin’ny nanao ny lalampanorenana 2010. Ny tsikaritra dia raha iny savaranonandon’io lalana io iny no nampanarahana ny andininy voalohany hatramin’ny faran’ny lalampanorenantsika dia efa nifanaraka amin’ny tena zava-misy saingy tsy izay moa ilay izy. Ny hitsivolana 60-133 ny 3 oktobra 1960 mikasika ny resaka fikambanana dia mbola lalana frantsay no resaka ao momba io lalana io. Betsaka, noho izany, ny mampanahy amin’ilay mpiantso hoe andao hiresaka. Ny olana aminay raha milaza ianareo hoe FFKM sy ny karazany dia misy vondron’olona tsy te hilahatra aminay akory. Mahatsiaro ho voahilika ny nentim-paharazana ary tsy henoina fa atao toy ny voninkazo endriky ny latabatra fotsiny na dia antsoina foana aza. Mody henoina dia avy eo misy hoe komity mpandravina na “comité de rédaction” any ambadimbadika any dia zara raha fehezanteny kely monja avy aminay no ampidirina ao, hoy hatrany ny fanazavany, ary ohatra fotsiny ny tamin’ny 1991 sy 2010 fa tena efa maro ny tranga nahitana izany.
J. Mirija
Legende: Josephin Andriandrainarivo
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap
24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap