airtel

Politique

26-juil-2021

Politique

Fikasana hamono ny Filoha Inona no mety ho antony ?

Sample post image

Herinandro izao dia mahoraka tsy eto Madagasikara irery ihany fa efa maneran-tany mihihitsy ny hoe nisy nikasa hamono ny filoha Andry Rajoelina.

26-juil-2021

Nandeha ny fisavana trano sy fisamborana, ary voatonontonona amin’ity raharaha ity ny teratany Frantsay 2.Mbola mandeha ny fanadihadiana hoy ny manampahefana ary ampitaina amin’ny fotoana maha mety azy ny fanampim-baovao tokony ho fantatry ny olom-pirenena.Iny eo ihany fa ny tena manitikitika ny sain’ny mpanara-baovao dia ny hoe : inona ny na ireo antony hoe hifofoana ny ain’ny Filoham-pirenena na hamonoana azy ho faty ?
ILES EPARSES, SOLIKA, JIRAMA
Mby tonga ao an-tsaina avy hatrany aloha ireo zava-nitranga tato anatin’ny roa taona, dia ny fitakiana ny nosy manodidina na Iles Eparses, ny raharaha Jirama, Solika, Air Madagascar.Zavatra samy manahirana eto amin’ny firenena ireo: efa niainga izao ny fifampidinihan’ilay vaomiera itambarana momba ny nosy manodidina, tampoka teo anefa manizingizina ny Fantsay fa fananany sy sombin-taniny ny nosy sambatra anisan’ireo nosy manodidina ary namoahany didim-panjakana mihitsy hoe faritra arovana noho ny zavaboahary ao aminy.Niandry elaela fa namaly ny fanjakana Malagasy fa tsy azo ekena izany ary tokony tohizana haingana ny fifampidinihana, tsy misy resaka anefa hatramin’izao.Ny Jirama dia miiteraka fahasahiranana sy fahasorenana ho an’ny isan-tokantrano sy ho an’ny toekarena amin’ny ankapobeny.hita ho sempotra ny fanjakana ary manentsina ny banga isan-taona ao amin’ny Jirama, etsy ankilany anefa ireo mpamatsy vola mahazatra manindry mafy hoe aza manampy ara-bola izany intsony fa ampiaro ny vidiny tena izy.Tahaka izany ihany koa ny resaka solika.Fantatry ny fanjakana tsara anefa fa hiteraka fipoahana ara-tsosialy goavana ny fiakaran’ny vidin’ny solika sy ny vidin-jiro.Tsy takona afenina koa anefa fa mivarotra ary mitady tombony ireo kaompania vahiny misehatra eo amin’ny fanafarana sy fitsinjarana ny solika. Tsy lavitra izany ny mahakasika ny kaompaniam-pitaterana Air Madagascar izay efa mitsipozipozy ary mahoraka be hoe tadiavina ho vidiana mora rehefa iny izy kenda tanteraka iny.

 

ARA-TOEKARENA.
Mazava be ilay ampahana fanambarana nataon’ireo mpiaradia amin’ny fitondrana (IRMAR) taorian’ny fahafantarana hoe misy mifofo ny ain’ny filoham-pirenena , hoy indrindra ny fanambarana : “…manameloka amin’ny fomba rehetra ny fitetehan’olom-bitsy hametraka ny adilahy politika ho ambonin’ny tombotsoan’ny Malagasy manontolo mba ahafahan’izy ireo manao ampihimamba ny harem-pirenena”.Raha ireo fehezanteny ireo no raisina dia misy ambadika ara-toekarena izany ny fikasana hanakorontana eto, ka mety tafiditra ao anatin’izay ilay hoe fifofoana ny ain’ny filoha.Tsy misy olon-tsotra hahavita hanao izany fa tsy maintsy ny matanjaka, manana vola sy olona ary fahefana ihany no mahasahy miditra amina zavatra hoe manakorontana fanjakana sy firenena izany.Ny fidirana amina ady an-trano no namotika sy nampahantra firenena Afrikana maro, saingy nampanankarena kosa ireo mpivarotra fitaovam-piadiana sy mpitrandraka an-tsokosoko ny harenan’ilay firenena miady.
RTT

 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Mankahery ny vahoaka malagasy manoloana ny zava-misy ankehitriny

Card image cap
28-mars-2024

Nisy omaly 27 martsa takariva ny karazana fandaharana sy fanambarana nataon’ny PAN.

Card image cap
28-mars-2024

Ankoatra ny fitoriana mba hanonganana tsy ho depiote ny Filohan’ny Antenimierampirenena Rtoa Christine Razanamahasoa,

Card image cap
28-mars-2024

Nidoboka am-ponja ao Antanimora efa tapa-bolana izao Atoa JR lehiben’ny faritra Analanjirofo tamin’ny fitondrana Rajaonarimampianina,

Card image cap
28-mars-2024

Misedra olana marolafy ny firenena na ara-politika na ara-toekarena na ara-tsosialy!

Card image cap
28-mars-2024

Manamafy ireo mpikatroka ifotony ao anatin’ny Antoko TIM ao anatin’ny distrikan’Avaradrano,

Card image cap