airtel

Politique

09-août-2021

Politique

Fikasana hamono ny Filoha Misy mpanao politika ambony tafiditra

Sample post image

“Ataoko fa ny zavatra nitranga saika hatao teto amin’ny firenena, dia efa mihoatra ny fefy, tsy azo leferina, mamoafady,…

09-août-2021

ary melohiko tanteraka. Rehefa ny fiandrianam-pirenena no voatohintohina dia tokony miray hina, saro-piaro, miara mijoro,… Nilaza izy fa Filohan’ny Malagasy rehetra, ka tsy tokony ny tsy fitovian-kevitra no hanakorontanana firenena. Melohiko tanteraka ny fikasana handatsa-dra ny Malagasy, indrindra fa ny andrim-panjakana napetraky ny vahoaka no hanaovana izany. Tsy ekena ny fandravana ny fanjakana amin’ny alalan’ny famonoana ny Filoha. Fahavalom-pirenena izay mikasa hanao izany na ato anatiny na any ivelany, hoy hatrany I Andry Rajoelina. Mikasika an’i Paul Rafanoharana kosa, “tsy mpanolontsaina ara-diplomatikako mihitsy tamin’ny tetezamita, misy fanendrena na didim-panjakana ofisialy, in-droa ihany aho no nahita io rangahy io”, hoy I Andry Rajoelina. Nambarany fa tambajotra goavana be no nikotrika izany “Apollo 21” izany. Hoentina hakana fitondrana amin’ny alalan’ny fandatsahan-dra amin’ny alalan’ny fampidirana olona avy any ivelany, ny tafika,… Andrasana hisy faty ve vao hisy ny fahatokisana hoe marina ilay izy, na dia efa mipetrapetraka aza ny drafitra, hoy I Andry Rajoelina, izay naneho fa any amin’ny Tonia mpampanoa lalàna ny porofo samihafa. Aleo no fanadihadiana no hiteny azy. Ny azoko tenenina, ny antontam-baovao eo am-pelantanany, dia misy mpanao politika ambony tafiditra amin’izao, hoy ny Filoham-pirenena. Tsy namaly kosa i Andry Rajoelina na mpanohitra na mpanohana io hoe mpanao politika io . Ny BC (Brigade Criminelle) no manao fanadihadiana, nampian’ny Zandarimaria, nampian’ny mpampanoa lalàna, ary raha ny porofo eo am-pelantanan’izy ireo rehetra no havoakan’izy ireo dia mety ho sarotra ny raharaha eto amin’ny firenena. Mampitandrina aho satria efa mihoatra ny fefy ny zavatra miseho, hoy i Andry Rajoelina nanamafy.
NAMPIFANDRAISINA AMIN’NY ANY IVELANY
Nampifandraisin-dRajoelina amin’ny zava-nisy tany ivelany indray, ka nilazany, fa telo volana sy tapany izay no maty voatifitra ny Filohan’I Tchad Idriss Déby ny 18 aprily, tsy sinema izany. Nilaza ho nifampiresaka tamin’I Idriss Déby izy, ary misy ny zavatra sy olana hitoviany. “Matoa misy ny fikasana hifofoka ny aiko dia ny fiarovako ny tanintsika, ny fiarovako ny tombotsoan’ny firenentsika. Sinema ve ny famonoana ny Filohan’I Haiti Jovenel Moise, mersenera 26 no nanafika azy. Namako sy ny nifampiresaka matetika amiko iny. Vao tsy ampy herinandro vitsivitsy izay no notsatohana antsy ny filohan’ny tetezamitan’I Mali,…” Nisy ny fangatahana famatsiam-bola, ary tsy nandà izany ny orinasa iray. Nisy vola 5 tapitrisa euros, izay nisy dingana 4 misy fitsinjarany raha ny fanazavan-dRajoelina: fividianana fitaovam-piadiana, fakana commando 15 avy any ivelany, fanakorontanana ara-tsosialy eto amintsika ao amin’ny fitantanana sy ny renivohi-paritany, famonoana olona ambony ao anatin’ny firenena izay fantatry ny fitsarana io fa tsy azonay lazaina, fiantsoana manamboninahitra sy vondrona mpitandro filaminana, fanomezana vola ireo mpitandro filaminana, fanomezana vola ny sendika sy ny fiarahamonim-pirenena.
Toky R
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Mitohy hatrany ny fitsidihana sekoly eto Fianarantsoa sy ny manodidina, tanterahin'i Docteur Marie Michelle

Card image cap
19-avril-2024

Nolaniana ny didim-panjakana laharana faha 2024-959 manova ny andininy sasany

Card image cap
19-avril-2024

Tontosa omaly alakamisy 18 aprily 2024 tao amin'ny Lapan’ny Antenimierampirenena ny

Card image cap
19-avril-2024

Hita ho mbola niara-nitokan-javatra tamin’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina,

Card image cap
18-avril-2024

Kandida avy amin’ny antoko AREMA miisa 25 no tsy afaka mandray anajara amin’ny fifidianana ho

Card image cap
18-avril-2024

Nanahirana ny nikarakara ny taratasy filatsahan-kofidiana solombavambahoaka tamin’ity,

Card image cap