airtel

Politique

22-juil-2021

Politique

Fikasana hamono ny Filoha Rajoelina Malagasy maromaro sy commando Frantsay 2 voasambotra

Sample post image

Namoaka fanambarana ofisialy ny Mpampanoa lalàna ambony Rtoa Berthine Razafiarivony omaly alarobia 21 jolay, fa olona maromaro teratany Malagasy sy vahiny no nosamborina ny andron’ny talata 20 jolay teo.

22-juil-2021

 Voasaringotra amin’ny raharaha fikatsahana hamono olona ambony eto amin’ny tany sy ny Fanjakana. Fisamborana tafiditra ao anatin’ny fanadihadiana noho ny fanohitohinana ny filaminam-bahoaka noho izany no voalaza fa natao. “Araka ny porofo eo am-pelantanana dia nanomana drafitra goavana saika hamonoana tompon’andraikitra ambony, ka voalohany amin’izany ny Filohan’ny Repoblika”, hoy io fanambarana. Mbola ao anatin’ny fanadihadiana tanteraka isika izao, ka izay aloha no azo ambara, hoy hatrany ny mpampanoa lalàna ambony Rtoa Berthine Razafiarivony. Navoakan’ny fampahalalam-baovao ofisialy Dépêche Informative Taratra, fa ny roa tamin’ireo voasambotra dia teratany Frantsay, ka ny iray efa nanaraka fiofanana commando, ary ny iray mpampianatra (instructeur) an’ireo commando mpilatsaka an’elon’aina, araka ny loharanom-baovao akaiky ny dosie. Niely ihany koa ny vaovao tsy ofisialy tetsy ankilany fa nosamborina ny miaramila Frantsay antsoina hoe Philippe François sy i Paul Rafanoharana izay anarana efa nalaza teo aloha teo fa mety hatao Praiminisitra ka asa na ireo ilay hoe Frantsay roa voasambotra na zavatra samihafa mihitsy ? Fifandrifian-javatra ve ilay hoe Frantsay ? Hanao ahoana ny fifandraisana ara-diplaomatika ? Tapa-bolana teo ho eo izay no nibahan-toerana tamin’ny fampahalalam-baovao ny filazana fa nisy fikasana hamono ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena (SEG) Jeneraly Ravalomanana Richard, ka olona 6 no naiditra any Tsiafahy, araka ny fampahafantarana tamin’ny 6 jolay. Nambara fa efa niomana tamin’ny fitaovam-piadiana ary efa nisy basy voafahana. Nisy olona 4 hafa nosamborina ihany koa nambara fa nikasa hanakorontana firenena, hanao fakana an-keriny sy kolikoly ary fikambanan-jiolahy nandritra ny fetim-pirenena. Nambaran’ny mpitandro filaminana, fa arahi-maso akaiky hatramin’ny kaontin’izy ireo any amin’ny banky eo anatrehan’ny mety ho famatsiam-bola hanakorontana.

ARY AHOANA IREO TENY FARAVOHITRA ?
Mipetraka eo amin’ny toeran’ny lasibatra na “victime” izany ny Mpitondra Malagasy amin’ity raharaha ity. Ny mpanohitra no mety ho voatondro ho ao ambadika eo anatrehan’ity toe-javatra ity. Teo aloha, dia ny tranon’Atoa Marc Ravalomanana no nisy teratany vahiny nihaodihaody andro vitsy talohan’ny fanamarihana ny fetim-pirenena, izay nahiana ho mersenera. Nisy aza ny loharanom-baovao nilaza fa niara-nivory tao amina hotely iray niaraka tamina tompon’andraikitra ambony ao anatin’ny governemanta sy mpandraharaha matanjaka iray eto amin’ny firenena izy ireo. Tsy nisy fanazavana ofisialy moa ny momba ireo teratany vahiny nampiahiahy ireo. Mifamahofaho tanteraka ny toe-draharaha izay mety tafiditry ny politika avo lenta, ka dia samy miandry izay ho tohiny izany ny rehetra.

Toky R
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap
24-avril-2024

Tsy misy intsony ny Fanjakana tan-dalàna ka mijoro ireo mpahay lalàna sy avara-pianarana sy ny vato

Card image cap
24-avril-2024

Namoaka tatitra ny depiote Rahasimanana Paul Bert na Rossy omaly,

Card image cap
24-avril-2024

Hanomboka ny datin’ny 08 ka hatramin’ny 27 Aprily ho avy izao ny

Card image cap
24-avril-2024

Tao anatin’ny hetsika fotsy aho ary mbola anatin’ny fanoherana, hoy ny kandida ho depiote,

Card image cap
24-avril-2024

Novorian’ny Governora Guy Ramarosandratana ireo staff-n’ny faritra Mangoro sy ny Birao politika TGV-Distrika Ambatondrazaka ny takarivan’ny 19 aprily teo.

Card image cap