airtel

Politique

09-déc-2022

Politique

Fikasana hanongana ny praiministra Lafrantsa no tompon-teny farany, hoy Pasitera Mailhol

Sample post image

Azo ambara fa mifamahofao be ihany ny toe-draharaham-pirenena eto amintsika taorian'ny fikasan'ireo solombavambahoaka 105 hanao fitsipaham-pitokisana ny Praiministra Ntsay Christian sy ny Governemanta tarihiny.

09-déc-2022

Nambaran'ireo solombavambahoaka moa fa noho ny fahatsapan'izy ireo ny fahasahiranam-bahoaka lalina eo amin'ny lafiny sosialy sy ny tsy fisian'ny fandriam-pahalemana ary ny tsy fahafehezan'ny governemanta Ntsay Christian ny asany amin'ny ankapobeny mihitsy no tena nahatofoka ireto depiote 105 niombon-kevitra ireto ka nahatonga izao fiombonan'izy ireo izao ho amin'ny tombontsoan'ny vahoaka nifidy azy ireo ! Valalanina indray anefa omaly ny mpanara-baovao fa niova tampoka indray ny zava-nisy satria nisy indray ireo solombavambahoaka niova hevitra ka nandà izany fitsipaham-pitokisana ny Governemanta izany,ny birao maharitry ny Antenimieram-pirenena aza moa dia sahy nilaza tamin'ny fanambarana navoakan'izy ireo omaly fa tsy manara-dalana ny fanatanterahana izany fitsipaham-pitokisana ny Governemanta izany ka tsy azo raisina sy tsy afaka hanohy ny lalana tokony hizorany ary dia hatsahatra.
MPANAO POLITIKA
Raha naka ny hevitra sy ny fahitan'ny Pasitera Mailhol André izany fisavorovoroana ara-politika izany ny mpanao gazetin'ny Tia Tanindrazana amin'ny maha mpanara*baovao sy mpandinika raharaham*pirenena azy dia nanambara mihitsy ity Pasitera ity fa lojika ny tsy fahatanterahan'izany fitsipaham-pitokisana izany ! Tsy ny solombavambahoaka mantsy,tsy ny mpanao politika Malagasy,tsy ny Filoham-pirenena akory aza no tompon-teny farany momba ny fanalàna Praiministra izany eto Madagasikara fa i Lafrantsa ! Ka n'inon'inona fikasana hikitika ny Praiministra ka tsy nahazo ny fankatoavana sy tso-dranon'ny Frantsay dia tsy hahomby velively izany ! Ny Praiministra Malagasy izany hatramin'izay dia tsy maintsy olon'ny Frantsay foana,manana zom-pirenena Frantsay ka mazava hoazy fa miaro ny tombontsoa Frantsay ary dia arovan'ny Frantsay ihany koa tambin'izany rehetra izany ka sarotra ny hikitika azy raha tsy efa i Lafrantsa mihintsy no tsy mila intsony ilay Praiministra ka manala sy manolo azy ! Raha nitodika manokana momba ny fanapahan-kevitry ny Filoham-pirenena izay somary toa niaro ny Governemanta kosa ny Pasitera Mailhol manoloana ilay fikasan'ny Solombavambahoaka dia nazava ny teniny : Raha mbola mihevitra ny hilatsaka hofidiana amin'ny fifidianana ho Filoham-pirenena amin'ny taona 2023 ny Filoha Rajoelina dia tsy tokony hiaro be fahatany ny Governemanta indrindra raha tsy mahavaha ny olana maharary ny vahoaka ny Praiministra na ny Minisitra ! Ny vahoaka mantsy no hifidy hampandany azy ho Filoha indray raha holany izy fa tsy ny Governemanta hoy ny Pasitora Mailhol ka tokony hiaro sy hiandany amin'ny vahoaka hatrany ny Filoha Rajoelina ! Fa matoa koa anefa ny Filoha tsy niombon-kevitra tamin'ny fanonganana ny Governemanta dia fantany fa mety hanimba azy ihany koa izany fikitikitihana Governemanta izany,ka na iza na iza Filoha teo dia tsy handray fanapahan-kevitra hanimba ny tenany mihitsy fa tsy maintsy mijery izay tsy hahafaty azy sy ny tombontsoany ! Ka raha fehezina ny zava-misy hoy ny Pasitora Mailhol dia mbola tian'ny Frantsay ny Praiministra Ntsay Christian matoa tsy tontosa ny fanonganana azy amin'ny toerany ka ho aim-berimaina ny an'ny solombavambahoaka raha hikiry amin'izany fitsipaham-.pitokisana izany.
Pati
 

Dans la même rubrique

22-avril-2024

Etsy amin’ny La Rotonde Besarety amin’ity tolakandro ity no hifamotoana ireo mpahailalàna,

Card image cap
22-avril-2024

Nafana ny fihetsiketsehana nataon’ny mpitondra notarihin’ny Filoham-pirenena tany

Card image cap
22-avril-2024

Nidina ifotony teny Talatan’i Volonondry sy Ambolo ny kandidan’ny Kolekitifa an’ny

Card image cap
19-avril-2024

Mitohy hatrany ny fitsidihana sekoly eto Fianarantsoa sy ny manodidina, tanterahin'i Docteur Marie Michelle

Card image cap
19-avril-2024

Nolaniana ny didim-panjakana laharana faha 2024-959 manova ny andininy sasany

Card image cap
19-avril-2024

Tontosa omaly alakamisy 18 aprily 2024 tao amin'ny Lapan’ny Antenimierampirenena ny

Card image cap