airtel

Politique

01-sept-2021

Politique

Filankevitra Monisipaly “Tsy azo ekena ny taxi moto”

Sample post image

Mazava ny resaka, isan’ireo lahadinika 4 nodinihina tamin’ny fivoriana tsy ara-potoanan’ny mpanolontsaina monisipaly ny mahakasika ny “taxi-moto”

01-sept-2021

 eto Antananarivo Renivohitra, izay nisehoana adihevitra samihafa. Tsy neken’ny filankevitra monisipaly nandritra ny fivoriana omaly io endri-pitaterana io satria mpanolotsaina 49 amin'ny 54 no nitsipaka ny fanomezan-dalàna ny “taxi-moto”, ho isan’ny fitaterana ara-dalàna hisehatra amin’ny fitaterana eto Antananarivo Renivohitr'i Madagasikara ; nisy mpanolotsaina 03 kosa nanao eny ary 02 hafa tsy nilaza ny heviny. “Misaotra ireo mpanolotsaina mijery lavitra sy mitsinjo ny hoavin'ny tanàna. Misaotra azy ireo ihany koa miaro ny sehatry ny ara-dalàna sy ireo olona maherin'ny 90 000 velomin'ny taxi eto an-drenivohitra”, hoy Rtoa Clémence Raharinirina. Nanamafy ny fifanolanana teo aminy sy ny Ben’ny tanàna Naina Andriantsitohaina moa ity raharaha ity satria Atoa Naina Andriantsitohaina no nambarany, fa isan’ny nampiditra an’io tao anatin’ny lahadinika. “Tsy manana tanjona hanome alalana ny taxi-moto ny tenako ankehitriny, fa misy amin'ireo Mpanolon-tsaina monisipaly mampiasa io resaka io amin'ny politika. Noho izany, tonga ny fotoana tokony hanehoan'izy ireo ampahabemaso ny tena heviny. Na mandrara izy ireo, dia hajaiko ny fanapahan-kevitra. Na izy ireo manaiky ny hanome alalana, dia hanomana ireo lalàna sy fepetra rehetra aho. Aroloha, "assurance", arovava orona, ireo karatra sy fandoavan-ketra. Adidintsika ny miaro ireo vahoaka izay hampiasa io fomba fitaterana vaovao io. Fa tsy misy antony tokony hampikorotana sy hanaovana resabe mialohan'ny Filankevitra Monisipaly izay heveriko ho ara-demokratika”, hoy kosa ny ben’ny tanàna. Taorian’io, dia lojika izany ny hanamafisana ny fanenjehana sy fanasaziana ny “taxi-moto”, izay voasokajy ho fitaterana tsy ara-dalàna na “transport clandestin” eto Antananarivo Renivohitra hatreto.

Toky R sy J. Mirija

 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap
24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap