airtel

Politique

22-juil-2021

Politique

Filankevitry ny minisitra Nampiantso ny parlemanta hivory tsy ara-potoana

Sample post image

Noraisina nandritra ny filankevi-panjakana omaly alarobia 23 jolay ny didim-panjakana mikasika ny fampiantsoana fivoriana tsy ara-potoanan’ ireo parlemanta roa tonta dia ny antenimierampirenena sy ny antenimierandoholona,

22-juil-2021

 manomboka ny 03 aogositra 2021 ho avy izao. “Taorian'ny lanonana lehibe notontosaina androany maraina faha 21 jolay 2021 teto amin’ny Lapam-panjakana lavoloha, izay nanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa isa etatra mitentnia 490 tapitrisa dolara teo amin’ny Fanjakana malagasy sy ny Banky lraisam-pirenena dia ilaina ny fampiantsoana fivoriana tsy ara-potoana na “session extraordinaire” an’ireo parlemantera, hoy ny tatitry ny filankevitry ny minisitra. Izany no hatao dia ahafahana manome fankatoavana ara-dalàna io fifanaraham-piaraha-miasa vao nosoniavina io sy ny fampiasana izany famatsiam-bola izany na “rectification de la convention”, hoy hatrany ny tatitra. Tsy mihoatra ny 12 andro ny fivoriana tsy ara-potoana, raha ny lalàna. Asa na mety hararaotina hatsidika ao anatin’ny fivoriana tsy ara-potoana ny resaka fitsipaham-pitokisana ny governemanta izay nafampana tato ho ato na ahoana raha tsy miova mialohan’ny fotoana? Ny depiote mpomba ny fitondrana sy ny Filohan’ny antenimieram-pirenena mihitsy rahateo no isan’ny nivoy fa tokony miainga amin’ny maro an’isa ao amin’io antenimiera io ny firafitry ny governemanta. Mila homena toerana ireo TGV tena nitolona, hoy izy ireo.
Toky R
 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

Kandida avy amin’ny antoko AREMA miisa 25 no tsy afaka mandray anajara amin’ny fifidianana ho

Card image cap
18-avril-2024

Nanahirana ny nikarakara ny taratasy filatsahan-kofidiana solombavambahoaka tamin’ity,

Card image cap
18-avril-2024

Tongotra mby an-dakana ny fifidianana Solombavambahoaka hotanterahina ny 29 Mey

Card image cap
18-avril-2024

Rava omaly Alarobia 17 Aprily ny DISTIM teo aloha na ny distrika TIM ao anatin’ny distrikan’Avaradrano.

Card image cap
18-avril-2024

Nivoaka ny alin’ny talata ny lisitr’ireo kandida voatazona hifaninana amin’ny fifidianana hatao ny 29 mey.

Card image cap
18-avril-2024

Manana kianja fa tsy azo hilalaovana, manana kaompania fa tsy misy fiaramanidina,

Card image cap