airtel

Politique

21-sept-2022

Politique

Filoha hikabary any amin’ny ONU anio Ny fandraisana anjara no zava-dehibe

Sample post image

Mandray anjara amin’ny andiany faha-77 amin'ny fivoriamben’ny Firenena Mikambana na ny ONU any New York izay manomboka amin’ny fomba ofisialy omaly 20 septambra 2022,

21-sept-2022

ny Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara, araka ny fanamafisam-baovao ofisialin’ny Fanjakana. Anisan'ny mandrafitra ny delegasiona izay tarihin'ny Filohan’ny Repoblika ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina sady Mpitondra tenin’ny Governemanta ary ny Talen’ny Kabinetran’ny Fiadidiana ny Repoblika. Any Etazonia ihany koa moa ireo minisitra miisa 3 miantsoroka ny fanabeazana sy ny fampianarana satria nifanindran-dàlana tamin’ity fivorian’ny Firenena Mikambana ity Fihaonana an-tampony iraisam-pirenena momba ny fanatsarana ny rafi-panabeazana. Miandrandra famatsiam-bola avy avy amin’io moa ny firenena Malagasy izay nitondra ny vinam-panaovazana heverina hampiharina eto. Tohin’ny Fivoriamben’ny Firenena Mikambana, handray fitenenana anio 21 septambra 2022 amin'ny 6 ora hariva ora eto Madagasikara ny Filoha Andry Rajoelina, eo amin'ny laharana faha-11, miaraka amin'ireo Filoham-pirenena hafa toa ny Filoha amerikana Joe Biden, izay eo amin'ny laharana faha-7. Andrasana manokana ny lahatenin'ny Filohan’ny Repoblika malagasy, mahakasika ny fanarenana ara-tsosialy sy ara-toekarena taorian’ny covid sy ny fampiharana ny "Plan Emergence de Madagascar", hoy ny fampitam-baovao ofisialy. Voninahitra lehibe ny hiteny eo ambony pilopitran’ny Firenena Mikambana. Na izany aza, azo lazaina ho mbola ny fandraisana anjara aloha no tena zava-dehibe ho an’I Madagasikara. Hiresaka fanarenana ara-tsosialy sy ara-toekarena taorian’ny covid-19 kanefa iaraha-mahita sy miaina ny zava-misy eto Madagasikara fa ambony ambany ka isan’ny fositra ny tsy fahaiza-mitantana. Hiresaka PEM, izay porofon’ny lainga sy fitaka natao tamin’ny vahoaka Malagasy satria tany am-piandohana nolazaina fa ny hahatongavana eo no ela. Aty amin’ny 4 taona nitondrana anefa tsy nahavita akory ny antontan-kevitra lasitra na “document cadre” hitondrana ny firenena. Izao vao handresy lahatra mpamatsy sy mpampiasa vola ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Mankahery ny vahoaka malagasy manoloana ny zava-misy ankehitriny

Card image cap
28-mars-2024

Nisy omaly 27 martsa takariva ny karazana fandaharana sy fanambarana nataon’ny PAN.

Card image cap
28-mars-2024

Ankoatra ny fitoriana mba hanonganana tsy ho depiote ny Filohan’ny Antenimierampirenena Rtoa Christine Razanamahasoa,

Card image cap
28-mars-2024

Nidoboka am-ponja ao Antanimora efa tapa-bolana izao Atoa JR lehiben’ny faritra Analanjirofo tamin’ny fitondrana Rajaonarimampianina,

Card image cap
28-mars-2024

Misedra olana marolafy ny firenena na ara-politika na ara-toekarena na ara-tsosialy!

Card image cap
28-mars-2024

Manamafy ireo mpikatroka ifotony ao anatin’ny Antoko TIM ao anatin’ny distrikan’Avaradrano,

Card image cap