airtel

Politique

10-mai-2022

Politique

Filoha Rajoelina Nanolotra fiara hampiasaina amin’ny JMJ –Mada faha-10

Sample post image

Hotanterahina tsy ho ela ny andro maneran-tany ho an’ny tanora na ny JMJ Mada andiany fahafolo ho an’ireo mpino Katolika eto amintsika.

10-mai-2022

Any Antsirabe no hanatontosana azy io,izay tena ilana fanomanana goavana tokoa. Tonga nangataka tohana sy fifanomezan-tanana tamin’ny Filoham-pirenena Rajoelina izy ireo omaly mba hanamorana ny fandaminana sy ny fanomanana ity hetsika lehibe ity. Raisiko ho adidy ny fanohanana sy manampy ireo tanora namako ao anatin'ny VPKT hoy ny filoha. Am-pitiavana noho izany hoy izy no nhanolorako fiara ho entin’izy ireo mitety faritra ho fanomanana ny JMJ-MADA andiany fahafolo. Nohamafisiny moa fa santatra am-bava rano ihany izao fa ho eo anilan’ireo tanora mandrakariva mandrakariva ny tenany ary hitondra anjara biriky amin'ny fanomanana ny JMJ-MADA. Manantena ny fanampian’ny filoha tahaka izao ihany koa ireo tanora Kristiana eny anivon’ny fiangonana namana hafa ho fanatevenana ny asa fanompoana sahanin’izy ireo.
Nangonin’i Pati
Legende : Nandritra ny fanolorana ny fanalahidin’ilay fiara teny Amboitsorohitra omaly
 

 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Miala any sahady ny lalao maloto ho an’ny fifidianana Solombavambahoaka tanterahina ao anatin’ny distrikan’Avaradrano.

Card image cap
22-avril-2024

Etsy amin’ny La Rotonde Besarety amin’ity tolakandro ity no hifamotoana ireo mpahailalàna,

Card image cap
22-avril-2024

Nafana ny fihetsiketsehana nataon’ny mpitondra notarihin’ny Filoham-pirenena tany

Card image cap
22-avril-2024

Nidina ifotony teny Talatan’i Volonondry sy Ambolo ny kandidan’ny Kolekitifa an’ny

Card image cap