airtel

Politique

05-mars-2021

Politique

Filohan’ny HCC Iza no handimby an’i Jean Eric Rakotoarisoa ? Filohan’ny HCC Iza no handimby an’i Jean Eric Rakotoarisoa ?

Sample post image

Ho tapitra ny 14 martsa ho avy izao ny fe-potoana 7 taona tsy azo havaozina maha Filohan’ny

05-mars-2021

 

 

 

 Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenena na ny HCC an’Atoa Jean Eric Rakotoarisoa sy ireo mpitsara roa hafa, izay notendrena ny taona 2014. Miomana ny handao ny toerany ity Filohana andrim-panjakana ity, izay miandry izay handimby azy hitondra ny familiana etsy Ambohidahy. Stratejika be io toerana io, ka dia andrasana izay olona hapetraka eo amin’izany toerana izany. Anarana telo no misy mivoy fa mety hotendrena amin’izany toerana izany ny iray amin’izy ireo, araka ny voalaza tamina fahitalavitra tsy miankina iray omaly. Florent Rakotoarisoa Minisitry ny atitany tamin’ny tetezamita, Christine Razanamahasoa Filohan’ny Antenimieram-pirenena ankehitriny, Arnaud Auguste Filohan’ny Sendikan’ny Mpitsara (SMM) teo aloha no volaza fa mety hotendrena eo amin’izany toerana izany. Tsara ny mampahatsiahy fa samy manana ny fotoana nahatongavany teo amin’ny toerana ireo mpikambana 9 fa tsy nitovy. Ny telo nanao fihanianana ny martsa 2014, ka isan’izany ireo mpanolontsaina ambony roa notendren’ny filoham-pirenena. Nanao fihanianana ny oktobra 2014 ireo avy amin’ny Antenimieram-pirenena. Nandray ny asany ny jona 2016 kosa ireo notendren’ny Antenimierandoholona, ary ny febroary 2018 ny iray farany notendren’ny Filoha, izay nisolo ny iray izay nodimandry.

Toky R

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Mitohy hatrany ny fitsidihana sekoly eto Fianarantsoa sy ny manodidina, tanterahin'i Docteur Marie Michelle

Card image cap
19-avril-2024

Nolaniana ny didim-panjakana laharana faha 2024-959 manova ny andininy sasany

Card image cap
19-avril-2024

Tontosa omaly alakamisy 18 aprily 2024 tao amin'ny Lapan’ny Antenimierampirenena ny

Card image cap
19-avril-2024

Hita ho mbola niara-nitokan-javatra tamin’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina,

Card image cap
18-avril-2024

Kandida avy amin’ny antoko AREMA miisa 25 no tsy afaka mandray anajara amin’ny fifidianana ho

Card image cap
18-avril-2024

Nanahirana ny nikarakara ny taratasy filatsahan-kofidiana solombavambahoaka tamin’ity,

Card image cap