airtel

Politique

09-nov-2021

Politique

Fiomanana amin’ny fifidianana 2023 Tambatambazana indray ireo ben’ny tanàna

Sample post image

Raikitra ny famoriana ireo ben'ny tanàna manerana ny Nosy miaraka amin’ny Governora, tanterahina any Antsirabe nanomboka omaly 08 novambra.

09-nov-2021

 Fotoana ambara fa natokana hifanakalozana sy hampitoviana ny fomba fijery amin’ny fitantanana ny raharaham-panjakana, hanamafisana ny fanatanterahana ny vinan'ny Filohan'ny Repoblika sy ny Politika Ankapoben'ny Fanjakana ho an'ny tombotsoa iombonana sy ho fanarenana ny fahatarana eo amin'ny fampandrosoana ny firenena, ity atrikasa ity. Tonga tany an-toerana nanokatra izany ny Praiminisitra Lehiben’ny governemanta Atoa Ntsay Christian ka naneho, fa ny fanomezan-danja ny fampandrosoana ka hahatongavana amin'izay, dia mila rindran-damina mazava, firaisan-tsaina ary fampivondronana ny hery amin'ny fanatanterahana ny andraikitra apetraka amin'ny tsirairay na olom-boatendry izany na olom-boafidy. Ny governora, ny ben'ny tanàna ary ireo ao amin'ny lafin-tany dia mpisehatra goavana amin'izany asa fampandrosoana izany ka fotoana izao handaminana ny fomba fiasa hanafainganana bebe kokoa ny fampandrosoana an'i Madagasikara; ny fametrahana ny fitsinjaram-pahefana ho fanatrarana ny tanjona napetraky ny Filoham-pirenena, izay miankina amin'ny " fandrindràna ny fampitoviana lenta ny asam-pampandrosoana ny Faritra rehetra". Nambara fa misy ihany koa ny fifamenoana andraikitra eo amin'ny governora sy ny ben'ny tanàna izay mahalala ny filàna sy ny laharampahamehana eny ifotony, indrindra amin'ny resaka fotodrafitrasa. Antony hanatsaràna hatrany ny tetibola sy ny fampitaovana ny eny anivon'ny Faritra,... Raha resaka ambony latabatra aloha, dia mirefodrefotra, fa raha tena mihaino sy manome vahana ny eny ifotony tsy handeha hitrosa 130 miliara dolara hanaovana teleferika, tsy hirehareha amin’ny fanafarana entana ka hanadino ny tantsaha, mety mbola hisy zavatra laharam-pahamehana noho ny kianja,… Maro ihany koa ny manasokajy ity fihetsiky ny fitondrana ity ho efa manambitamby ireo ben’ny tanàna satria ho mafy ny ady amin’ny 2023. Mandeha ny resaka fa hisy ny fanambazana zavatra toy ny “motos” saingy ny ho avy no hamaritra azy. Misy ny mametra-panontaniana izay sangisangy zary tenany hoe: fa mbola tsy ampy ihany ve ny CENI sy ny HCC ary ny Minisiteran’ny Atitany no mbola miezaka manambitamby ireo ben’ny tanàna?
Toky R
 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

Kandida avy amin’ny antoko AREMA miisa 25 no tsy afaka mandray anajara amin’ny fifidianana ho

Card image cap
18-avril-2024

Nanahirana ny nikarakara ny taratasy filatsahan-kofidiana solombavambahoaka tamin’ity,

Card image cap
18-avril-2024

Tongotra mby an-dakana ny fifidianana Solombavambahoaka hotanterahina ny 29 Mey

Card image cap
18-avril-2024

Rava omaly Alarobia 17 Aprily ny DISTIM teo aloha na ny distrika TIM ao anatin’ny distrikan’Avaradrano.

Card image cap
18-avril-2024

Nivoaka ny alin’ny talata ny lisitr’ireo kandida voatazona hifaninana amin’ny fifidianana hatao ny 29 mey.

Card image cap
18-avril-2024

Manana kianja fa tsy azo hilalaovana, manana kaompania fa tsy misy fiaramanidina,

Card image cap