airtel

Politique

10-juin-2022

Politique

Fiomanana amin’ny fifidianana Betsaka ireo fokontany tsy vonona intsony, hoy ny RPSD

Sample post image

Tanjon’ny CENI moa izany nikarakara izao atrikasa fikaonan-doha izao dia ny mba hisian’ny fifidianana madio mangarahara eken’ny rehetra, hoy ny filoha nasionalin’ny antoko politika RPSD,

10-juin-2022

Urbain Andriatsizehena, nandritry ny atrikasa fikaonan-doha nokarakarain’ny CENI tetsy amin’ny Novotel Ivandry omaly. Ny fanarenana tanteraka ny lisipifidianana moa no tena fototr’ity fifampidinihana ity, hoy izy. Ny fahitan’ny RPSD azy dia tokony heverina koa ny hoe ahoana ny hampadio mangarahara ny fifidianana. Sosokevitray ny hoe tokony efa resahan’ny CENI sy ny minisiteran’ny atitany ny sefo fokontany. Tokony mahaleotana isam-pokontany io rantsan’ny CENI any ifotony io. Noho ny tsy fahampian’ny tetibola nefa dia miara-miasa amin’ny fokontany ireo. Betsaka amin’ny fokontany izao no efa tsy vonona intsony. Tadidio fa tambin-karama fa tsy karama izao no mba raisin’ny sefo fokontany. Mbola tsy azo ara-dalana koa io. Raha vao hanao fanisam-bahoaka isan-tokantrano izany ianao dia tsy maintsy misy fokontany mandeha tongotra lavitra be. Miampita tanimbary. Miampita renirano. Izay ilay tsy fahavononan’ny isam-pokontany. Mila jerena akaiky io fampirisihana ny mpitantana fokontany io. Hanolotra sosokevitra aorian’ny fikaonan-doha ataonay koa izahay ao amin’ny RPSD aorian’izao ho an’ny CENI. Tokony ahitana taratra fiovana vokatr’izany io fifidianana hanomboka amin’ny 2023 io, hoy hatrany ny tenany. Hitanay tamin’ireo fifidianana rehetra efa natrehanay ny lesoka rehetra tamin’ny fifidianana nisy teto ka izay no hitondranay vahaolana ho fanatsarana, hoy hatrany ny RPSD.
J. Mirija
Legende: Ny filoha nasionalin’ny RPSD
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Mankahery ny vahoaka malagasy manoloana ny zava-misy ankehitriny

Card image cap
28-mars-2024

Nisy omaly 27 martsa takariva ny karazana fandaharana sy fanambarana nataon’ny PAN.

Card image cap
28-mars-2024

Ankoatra ny fitoriana mba hanonganana tsy ho depiote ny Filohan’ny Antenimierampirenena Rtoa Christine Razanamahasoa,

Card image cap
28-mars-2024

Nidoboka am-ponja ao Antanimora efa tapa-bolana izao Atoa JR lehiben’ny faritra Analanjirofo tamin’ny fitondrana Rajaonarimampianina,

Card image cap
28-mars-2024

Misedra olana marolafy ny firenena na ara-politika na ara-toekarena na ara-tsosialy!

Card image cap
28-mars-2024

Manamafy ireo mpikatroka ifotony ao anatin’ny Antoko TIM ao anatin’ny distrikan’Avaradrano,

Card image cap