airtel

Politique

19-juil-2022

Politique

Fipoahan'ny hatezeram-bahoaka Atahorana mafy i Antananarivo

Sample post image

Marina fa Antananarivo no ivon’ny fitantanana ny firenena, saingy eto ihany koa no atahorana mafy amin’ny hisian’ny fipoahana ara-tsosialy hiitatra any amin’ny politika satria mifameno hatrany rahateo moa ireo.

19-juil-2022

Eto no toa hanaovana fanandramana na atao « cobaye » amin’ny fanapahan-kevitra raisin’ny Fanjakana, raha tsy hilaza afatsy io resaka saran-dàlana io. Nahoana no nandrasana nisy nanao 800Ar sy misavorovoro ny saim-bahoaka vao manenjana fa tsy tonga dia navoaka ny didim-pitondrana mametra ny saran-dàlana tsy eto Antananarivo ihany fa manerana ny Nosy Anaovana andrakandram-pitantanana ny Renivohitra, tsapaina hoe hatraiza ny fara-fahazakana sy faharetan'ny olona. Antananarivo irery angaha i Madagasikara ka eto no handrefesana hoe hatraiza ny fahazakan'ny olona ka hikoropahana rehefa mamay ny toe-draharaha Rehefa zakan’Antananarivo dia tokony ho zakan’ny vahoaka Malagasy manontolo Eto no iandohan’ny fipoahana ara-tsosialy sy ara-politika hatramin’izay, hany ka ezahin’ny Fanjakana foibe halamina sy tambazana hatrany. Tena fandaminana maharitra sy mahasoa ny besinimaro ve anefa sa pimaso politika hoenti-maneho mitsinjo ny besinimaro Raha ny fiantraikan'ny fiakaran'ny vidin-tsolika, tsy ny taksibe ihany no ahitana izany fa ny fitaterana amin'ny endriny rehetra. Midangana ny vidin'entana satria lafo ny saran-dàlana, miakatra ny vidim-piainana, ny saram-pianarana,... Azo lazaina ho manan-tsafidy amin'ny tolotra samihafa i Antananarivo fa mba manao ahoana ny any amin'ny tany lavitra andriana Inona ny fepetra raisin'ny Fanjakana ara-toekarena sy sosialy

Toky R
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap
24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap