airtel

Politique

05-août-2024

Firotsahan-dRavalo na tsia eto Iarivo

Aorian’ny didim-panjakana mifankahita…

Sample post image

Miomana ary maneho ny fahavonanany hiatrika ny fifidianana ben’ny tanàna kasaina hatao amin’ny 11 desambra

05-août-2024

ny Antoko Tiako i Madagasikara tarihin’Atoa Marc Ravalomanana. Tokony havoakan’ny governemanta faran’izay haingana ny datim-pifidianana satria efa tamin’ny 10 janoary no tapitra ny fe-potoana iasan’ny ben’ny tanàna kanefa notovanan’ny Fanjakana herintaona, ka nilazan’ny TIM fa tsy azo ekena ny tetika ara-politika kasaina hanemorana hatrany ny fifidianana. Ratsy ho an’ny antokom-panjakana moa ny firosoana amin’ny fifidianana ato ho ato noho ireo olana ara-tsosialy samihafa raha tsy hilaza afatsy ny delestazy, ka toa hita soritra sy hita taratra ny tsy fahavonan’ny Fitondrana Rajoelina hiroso amin’izany. Tsy ara-dalàna ny fanemorana lava ny fanemorana lava ny fifidianana, fa tokony hajaina ny fe-potoana voalazan’ny lalàna hiasan’ny ben’ny tanàna sy hanatanterahana ny fifidianana, hoy i Marc Ravalomanana nanipika fa betsaka ny kaominina mijaly satria fampandehanan-draharaha sisa. Nandeha ny resaka tato ho ato amin’ny mety haha kandida ben’ny tanàna an’i Marc Ravalomanana, ary isan’ny nandrasan’ny maro tetsy Bel’Air izany, saingy mbola baraingo hatreto ny valiny. Samy niantso ny hirotsahan’i Marc Ravalomanana ho kandida ben’ny tanàna eto Antananarivo rahateo ny ankamaroan’ireo nmpikatroka TIM nandray fitenenana ny sabotsy lasa teo, saingy tsy mbola namaly na ho eny na ho tsia an’io ny Filoha teo aloha. Takian’ny TIM ny hamoahana ao anatin’ny fotoana fohy ny didim-panjakana samihafa mamaritra ny fifidianana, ka rehefa mazava izay vao hivoaka ny fanapahan-kevitra ho azy sy ho an’ny TIM. Aorian’ny didim-panjakana izany mifankahita! Nomarihin’i Marc Ravalomanana rahateo ny fisian’ny fifampiresahana eo anivon’ny Firaisankina mikasika ny fifidianana ho avy. Andrasana atsy ho atsy araka izany ny mety ho fanapahan-kevitr’i Marc Ravalomanana. Ara-politika, raha tarafina amin’ny fifidianana solombavambahoaka farany teo teto Antananarivo aloha dia hobatain’ny TIM ambongadiny ny toeran’ny ben’ny tanàna na amin’io endriny ankehitriny io, na ilay fikasana hanova azy hisy ben’ny tanàna isaky ny boriborintany ka hisy iray antsoina hoe : « super maire ». Vizan’ny kandidan’ity antoko ity avokoa ny kandida IRMAR, ary nisy nanaikaiky ny poa-droa aza. I Marc Ravalomanana ve no ho kandida sa hiverina ny sary tahaka ny tamin’ny 2019 izay efa nalaza fa hirotsaka eto Antananarivo ny Filoha Nasionalin’ny TIM saingy Atoa Rina Randriamasinoro no kandida tamin’ny ora farany ? Misy ireo anarana hafa manomboka malaza fa mety ho kandida dia ny Depiote voafidy tao amin’ny Boriborintany fahaenina, Todisoa Andriamampandry nahazo salan’isa ambony indrindra teto Antananarivo, ary ben’ny tanàna lefitra tamin’ny fitantanan-dRtoa Lalao Ravalomanana. Anarana hafa ihany koa ny an-dRtoa Hanitra Razafimanantsoa depioten’ny Boriborintany izay Filohan’ny Vondrona Parlemantera TIM.

Toky R

 

Dans la même rubrique

09-sept-2024

Mipoapoaka hatrany ny lanonam-panjakana fametrahana ireo olom-boafidy vao lany teo.

Card image cap
09-sept-2024

Nahatratra 206 isa ny fangatahana casier judiciaire efa voarain’ny Fitsarana ambaratonga voalohany etsy Anosy

Card image cap
09-sept-2024

Antananarivo no fitaratra voalohan’i Madagasikara amin’ny maha renivohitry ny Firenena azy.

Card image cap