airtel

Politique

07-avril-2022

Politique

Fisafidianana ny laharampahamehana “Mahamenatra, aza atao sorona ny Malagasy”

Sample post image

“Tena mahamenatra, aza aroso hatao sorona ny Malagasy! Na ny mpanjanan-tany aza tsy nanao tahaka izao ny Malagasy! Taorian’ny fahazoana ny fahaleovantena tamin’ny taona 1960,

07-avril-2022


 ity no fanjakana mampihomehy sy mpivarotra nofinofy indrindra tamin’ny vahoaka Malagasy!”, hoy ny fanehoan-kevitry ny Praiminisitra teo aloha nandritra ny Fitondrana Ravalomanana ary efa Talen’ny Kabinetran’ny Fiadidian’ny tetezamita notarihin-dRajoelina. Ny zavatra lazainy androany dia mifanohitra amin’ny hambarany rahampitso, ary any amin’ny farany dia zavatra hafa tsy nampanantenainy mihitsy no hataony, ary hatrany amin’ny sehatra iraisam-pirenena io, hoy hatrany Atoa Zaza Ramandimbiarison. Efa nilaza tamin’ny alalan’ny Praiminisitra Ntsay Christian fa nisafidy ny tsy hiandany mikasika ny fananiham-bohitra ataon’ny Rosianina any Ukraine. Nilaza fa tsy mitanila ka inona no atao hoe: tsy mitanila aminareo? hoy izy. Anton’io ny fanehoan-kevitra io ny fisian’ilay fifanaovan-tsonia ara-tafika tamin’ny Rosianina nosoniavina ny 18 janoary 2022 ary mihatra nanomboka ny 25 martsa araka ny tatitra nataon’ny fampahalalam-baovao United News of India ny 01 aprily teo. Fifanarahana izay mikasika fitaovam-piadiana. “Tena mahamenatra! Izany ve no laharam-pahamehana ho an’ny Malagasy? Sa kosa natao ho fiarovana ny mpitarika politika eo anatrehan’ny mety ho fitroaran’ny vahoaka eo anatrehan’ny zava-misy sy ny fahalovana efa miantraika aman’aina ankehitriny? Aza aroso hatao sorona ny Malagasy”, hoy hatrany izy. Nahitsy ny tenany nilaza fa tokony hatsahatra fanaovana tsinontsinona ny Malagasy na dia tsy afaka ny hitsangana manoloana ny lainga sy ny tsy fahaiza-manaon’ny mpitondra aza izy. Tokony hahalala menatra ny mpitondra, ary tokony hametraka ho lohalaharana ny fiandrianam-pirenena, kanefa dia tsy afaka ny hampisakafo ny Malagasy maro an’isa akory, hoy izy. Fanampiana, tohana, ary trosa avy any ivelany no hany mba hiveloman’i Madagasikara, ary ny ankamaroany avy amin’ny Tandrefana, hoy Atoa Zaza Ramandimbiarison nampisaintsaina.
Toky R
Sary fanehoana
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap
24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap