airtel

Politique

22-sept-2025

Fisamborana sy fandetehana an’i Baba sy Clémence

Baiko avy tamin’i Lalatiana Rakotondrazafy ?

Sample post image

Nipoitra ihany ny heverina fa tao ambadiky ny fisamborana

22-sept-2025

an-dry Baba Rakotoarisoa sy Clémence Raharinirina. Nolazaina fa nitarika vondron’olona nanao fihetsiketsehana tsy nahazoana alalana teo amin’ny Lapan’ny Antenimierandoholona, Anosikely ny 18 septambra tokony ho tamin’ny 10 ora maraina. Nampiasa fitaovana fanamafisam-peo izy ireo, naneho fankahalana manokana tamin’ny Loholon’i Madagasikara iray, ary niezaka niditra an-keriny tao amin’ny Lapa mba hanery io Loholona io hidina an-dalambe, noho ny fanambarana nataony tamin’ny taona 2016, hoy ny seraseran’ny Antenimierandoholona. Baiko avy amin’i Lalatiana Rakotondrazafy ? Nambara fa niteraka fitohanana sy fikorontanana teo anoloan’ny Lapa izany, indrindra fa andro tsenan’i Mahamasina tamin’io fotoana io, ka maro ny olona tonga nijery sy nandalo. Nolazaina fa nisy ihany koa ny teny miendrika fanambaniana sy fanevatevana imasom-bahoaka sy fanevatevana nataon’i Baba Rakotoarisona tamin’ny Talen’ny Fiarovana ny Antenimierandoholona, manamboninahitra kolonely. Nambara fa toerana saro-pady ny Lapan’ny Antenimierandoholona, ka voafetra sy voalamina manokana ny fidirana ao anatiny. Noho ireo fihetsika ireo izay nahiana hiteraka korontana, dia nametraka fitoriana ny Talen’ny Fiarovana sy ny Tale misahana ny Lalàna sy ny Fandalinan-kevitra eto amin’ny Antenimierandoholona. Ampirisihina ny vahoaka mba tsy ho voafitaky ny mpanakorontana. « Tsy azo ekena ny fanentanana fankahalana sy ny fanimban-javatra, satria heloka izany. Tokony hiezaka hitandro fihavanana ny Malagasy rehetra, na eto an-tanindrazana na amin’ireo vahiny mandalo na monina eto, satria izany no Soatoavina navelan’ny razantsika. », hoy ny eo anivon’io andrim-panjakana io. Asa na misy ifandraisany amin’iny raharaha iny anefa, fa nosoloina mangingina ny Kolonely Andriamifidisoa Deranjanahary José Yves, Talen’ny Fiarovana izay nambara fa voatendry hisahana andraikitra hafa, ka ny kolonely Randrianarivelo Jean Elysé Annissé no voatendry ho Tale vaovao.

HALENTIKA SY GADRAINA SY IZAY TIANA HOPOTEHINA…
Tonga amin’ilay teny vahiny hoe : « ridicule » hatrany ny fihetsiky ny Fanjakana. Olona miisa 3 izay hanatitra taratasy no lazaina fa nikasa hiditra amboletra tao anaty andrim-panjakana ? Tsy fiarovana azy ireo, fa nisy fifampiresahana sy fifanazavana mazava teo amin’ny varavaran’ny Lapa, ary nanazava ny antony ireo mpanolotsain’ny tanàna. I Baba Rakotoarisoa no nangataka hiditra sy nifampiresaka tao anatiny, ary navela fa ny ambiny niandry teo ivelany, nivoaka sy navela hanoratra taratasy an-kahalalahana teo ivelany, avy eo tsy nisy nandray ny taratasy ka napetraka tao amin’ny fandraisana. Ny fampahatsiahivana ny teny nataon-dRtoa Lalatiana Rakotondrazafy ve midika fa fiantsoana olona hankahala azy ? Moa tsy io loholona io ihany no nanamaivana sy nanivaiva fa olona zara raha 3 ry zareo, faible,… ka inona no atahoran’ny antenimierandoholona ? Azo an-tsaina avy hatrany ny mety ho olona ambadiky ny baiko. Izao ilay hoe : « rehefa tiana hovonoina ny alika dia lazaina fa romotra ». Ahiana ny filalaovana ny Fitsarana amin’ny alalan’ny tsindry sy baiko entina hamotehana ara-politika na hifehezana ny mpanohitra. Asa inona izany no azo hanasokajiana ny fandrobana sy fandorana lapa tamin’ny 2009, ny famakiana minisitera, ny nisintonana findaina loholona tao amin’ny tranom-panjakana niasany tamin’ny 2018,… Vao mainka mandrehitra afo ara-politika ny Fitondrana, miakatra ny fahasosorana,… ka asa izay hiafaran’ireto mpitondra tia setrasetra ireto aoriana ao?
Toky R
 

Dans la même rubrique

05-févr-2026

CENI fa tsy maintsy miandry Fikaonandoham-pirenena"

Card image cap