airtel

Politique

07-sept-2021

Politique

Fitantanan-draharaham-panjakana Governora 5 mety hoesorina ?

Sample post image

Governora 5 amin’ny 20 efa notendrena no tsy maintsy hoesorina, raha ny famakafakana nataon’ny fampahalalam-baovao iray.

07-sept-2021

 Ny asa nandritra ny 2 taona no handrefesana izany, ary voalaza fa hanaovana tombana toa ireo mpikamban’ny governemanta. Efa nampitandrina azy ireo ny Filoha ny fiandohan’ny volana aogositra momba ny fanamby tsy maintsy tanterahin’ireo governora. Misy mantsy no voalaza fa tsy manao ny asany, ary tsy mahatanteraka ny tanjona asaina tratrariny. 2 miliara isan-taona, hoentina manamboatra làlana, efa nofaritana fa 250km isan-taona no vitaina, tsy maintsy tsinjaraina isaky ny governora. Ankoatra ny asa, dia isan’ny tombanana ny fiaraha-miasa amin’ny tompon’andraikitra ara-panjakana eny ifotony sy ny sehatra politika, izay azo adika fa ny fahaizana mametrapetraka ny kajikajy hampiakatra ny taham-panohanana ny fitondrana hiomanana amin’ny fifidianana. Hatreto, toerana governora 3 no mbola banga, dia ny an’ny Faritra Anôsy izay notendrena ho minisitry ny asa vaventy, ny an’I Vatovavy izay napetraka ho faritra faha-23, ary ny 9 aogositra 2021 teo no nosoniavin’ny Filoha ny didim-panjakana momba izany narahina lanonana. Mbola tsy notendrena kosa ny governoran’I Betsiboka roa taona aty aorian’ny nanendrena ireo andiany voalohany. Tsy mahataitra sy tsy maharototra ny fitondrana, izay ahiana ho antsojay politika satria tamin’ny fifidianana Filoha fihodinana faharoa ny taona 2018 dia zara raha nanome 0,74% tamin’ny vato 2,5 tapitrisa mahery teo izay azon-dRajoelina ity faritra ity.
Toky R

 

Dans la même rubrique

22-avril-2024

Etsy amin’ny La Rotonde Besarety amin’ity tolakandro ity no hifamotoana ireo mpahailalàna,

Card image cap
22-avril-2024

Nafana ny fihetsiketsehana nataon’ny mpitondra notarihin’ny Filoham-pirenena tany

Card image cap
22-avril-2024

Nidina ifotony teny Talatan’i Volonondry sy Ambolo ny kandidan’ny Kolekitifa an’ny

Card image cap
19-avril-2024

Mitohy hatrany ny fitsidihana sekoly eto Fianarantsoa sy ny manodidina, tanterahin'i Docteur Marie Michelle

Card image cap
19-avril-2024

Nolaniana ny didim-panjakana laharana faha 2024-959 manova ny andininy sasany

Card image cap
19-avril-2024

Tontosa omaly alakamisy 18 aprily 2024 tao amin'ny Lapan’ny Antenimierampirenena ny

Card image cap