dia efa tsianjery maimbo hatrizay ny resaka valanatetina, miampy ny krizy any Ukraine, ny rivodoza nandalo. Raha mpitondra mahay, mila mahita vahaolana amin'ny lafiny rehetra foana fa tsy hanilika lava ny fahalemena sy ny tsy fahaizana any amin'ny coronavirus sy rivodoza lava izao, rehefa tsy izay dia miala rehefa tsy mahavita hanaovan'ny hafa azy. Mpamaha olana no ilàna ny Fanjakana fa tsy mpiala bala lava. Samy nitotongana ny toekaren'ny olona fa tsy misy nitotongana -7% izany angamba. Nanana ny drafi-piarenana na "plan de relance" ny olona fa ny teto sady efa tsy manam-bola no mbola ahiana ny kolikoly mandifitr'olona, tsy fangaraharana. Ireny niaraha-nahita ireny ny tatitry ny Fitsarana momba ny kaonty mikasika ny fitantanana ny vola fanampiana iraisam-pirenena ho an'ny coronavirus ampahany voalohany 1818 miliara Ar (444 tapitrisa euros). Nireharehana ny "plan Marshall 1043 miliara Ar" fa inona no volany? Miakatra toy ny maneran-tany tokoa ny vidim-piainana saingy ny fahefa mividy entina iatrehana sy ny fikarakarana ataon'ny fanjakana tsy mitovy ka tsy tokony hialana bala ny hoe: maneran-tany io. Angaha tsy nahomby ny SPM (State Procurement of Madagascar) izay natsangana tamin'ny novambra 2019 fa hanafatra ireo entana ilaina andavanandro (PPN) toy ny solika, vary, lafarinina, menaka,... no any famerana ho ambony ny vidin'entana no atao? "Ny aty ivelany mahazo "prime d'inflation" hiatrehana ny sondrobidim-piainana isaky ny mpiasa, ny resaka fiarovana ara-tsosialy na "sécurité sociale" toy ny fitsaboana, ny kely karama hamaivanina ny hetra, ny fampianarana ny zaza hamoraina amin'ny fomba maro, misy Sampan-draharaha mpiandraikitra ny tsy an'asa na atao hoe "Pôle emploi", io dia manampy ny olona ahita asa haingana ary ny tsy an asa mandray fanampiana", hoy ny Malagasy monina any ivelany. Ny atao hoe tambanivohitra mpamokatra aty dia tsy olona mampalahelo be toy ny any fa miaina amin'ny villa daholo sy tany be miaraka amin'ny fitaovana raitra sy tracteurs, misy tan-tsoroka na "accompagnement" avy amin'ny fanjakana daholo, ny be antitra tsisy mitsipozipozy fa mbola manao fiainana. Mba mankaiza ny tetibolam-panjakana sy ny fanampiana trosa iraisam pirenena ireny? Ny harem-pirenena iza no misitraka azy ? hoy ny fanontaniana. Marina fa mety tsy hahavita 100% ohatran'ny any ivelany isika saingy mba voafehy kokoa raha tena mpitondra nahay nijery ny tokony ho laharam-pahamehana ary tsara tantana ny volam-panjakana sy ny harem-pirenena.
Toky R
Ankoatra ny fandokafana nataon’ny ankamaroan’ny depiote mpomba ny fitondrana ary ny kiana mivaivay nataon’ireo depiote avy amin’ny antoko mpanohitra,
Miditra ao anatin’ny kihon-dàlana politika vaovao ny antoko Tiako i Madagasikara na ny TIM, izay mankalaza ny faha-20 taona nijoroany manomboka anio 30 jona 2022.
Notorian’Atoa Maharesy Roi Francis Ben’ny tanànan’Ankavandra teo aloha tompon’ny orinasa ETS AR Business any amin’ny Sampana fitarainana eo na “bureau de doléance” eo anivon’ny Fiadidian’ny Repoblika ny Depiote
Araky ny lalampanorenana, ny governemanta sy ny parlemantera, ny fifandraisany, indrindra, ny fanaovana lalana, dia ny parlemantera manara-maso ny mpanatanteraka, hoy ny antoko politika Teza.
Fampalazana tena na « populisme » no mbola hanarontsaronana ny tena zava-misy iainan’ny vahoaka no tena ataon’ny Fitondrana Rajoelina ankehitriny.
Mbola mila ezaka goavana ny resaka fitsinjaram-pahefana sy fitsinjarana ara-bola mba hoenti-mampiodina sy mampandroso ny firenena,