airtel

Politique

28-juil-2022

Politique

Fitantanana firenena Azo atao tsara ny tsy “miwerawera”

Sample post image

Ny soa fianatra, ary azo atao tsara ny maka tahaka ny ataon’ny olona. Raha mijery sy mampitaha ny sary tamin’ny fanamarihana ny fetim-pirenna Frantsay farany teo, ny 14 jolay 2020,

28-juil-2022

hita taratra ny endrika tsotra nentin’ny Fanjakana notarihin’ny Filohany Emmauel Macron mivady izany. Ny Filoha mivady miaraka amin’ny mpiara-miasa, endrika tsotsotra, seza tsy dia raitra,… kanefa mihaja. Midika io fa tsy voatery hanaovana seho ivelany goavana be, handaniam-bola tsy toko tsy forohana, fa azo atao ny manamarika azy amin’ny fihetsika tsotra sy mihaja, tsy arakaraka ny maha firenena isan’ny matanjaka indrindra eto ambonin’ny tany azy. Ny antsika, handaniana vola tsy toko tsy forohana, hanaovana sehoseho hisintonana vahoaka, hampisehoana ny lamaodin’ny manam-pahefana isan-tsokajiny. Haingon-tsehatra mirarakopana handaniam-bola be, artista maro hisintonana ny mpanotrona, antsapaka amin’ny alalan’ny Tombola,… Ny antsika arakaraka ny maha miha mahantra ny vahoaka sy mampikorosy fahana firenena no toa vao mainka mampitombo ny sehoseho ivelany. Indraindray toa mitady ho lasa haingo ambony tsikoko, ary raha atao ny fampitahana dia tonga amin’ilay hoe: ny tapany ihany no mihontsana. Tsy sanatria natao hitsikerena be fahatany, fa rehefa mampitaha zavatra tsy mitovy tahaka ny hoe: ny vidin-tsolika any Frantsa aza 2euros isika, dia mila alain-tahaka ihany koa ny fihetsika sy fomba fiasa tsara asehony satria ny soa fianatra. Tsy miteny velively hoe: aza homena hasiny sy hajany ny fetim-pirenena fa mba mila jerena ihany hoe: sao mba any amin’ny zavatra tena mahasoa kokoa ny vahoaka no hanontonana volabe?
Toky R
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap
24-avril-2024

Tsy misy intsony ny Fanjakana tan-dalàna ka mijoro ireo mpahay lalàna sy avara-pianarana sy ny vato

Card image cap
24-avril-2024

Namoaka tatitra ny depiote Rahasimanana Paul Bert na Rossy omaly,

Card image cap
24-avril-2024

Hanomboka ny datin’ny 08 ka hatramin’ny 27 Aprily ho avy izao ny

Card image cap
24-avril-2024

Tao anatin’ny hetsika fotsy aho ary mbola anatin’ny fanoherana, hoy ny kandida ho depiote,

Card image cap
24-avril-2024

Novorian’ny Governora Guy Ramarosandratana ireo staff-n’ny faritra Mangoro sy ny Birao politika TGV-Distrika Ambatondrazaka ny takarivan’ny 19 aprily teo.

Card image cap