airtel

Politique

07-avril-2022

Politique

Fitantanana firenena Voadidina vehivavy ny Filoha

Sample post image

Voamarina ny resabe nandeha efa hatry ny talata takariva teo momba ny fanendrena ny Minisitry ny tontolo iainana teo aloha Rtoa Baomiavotse Vahinala Raharinina ho Tale Kabinetra sivily eo anivon’ny Fiadidian’ny Repoblika.

07-avril-2022


Nisy mantsy ny filankevitry ny minisitra manokana ny androtr’io talata 05 aprily takariva io, ka nofoanana ny didim-panjakana 2019-1870 tamin’ny 25 septambra 2019 manendry ny Tale kabinetra sivily Rtoa Lova Hasinirina Ranoromaro, ka notendrena eo amin’izany toerana izany ny Minisitry ny tontolo iainana teo aloha. Vehivavy fahatelo notendrena ho Tale Kabinetra sivily eo anivon’ny Fiadidian’ny Repoblika i Baomiavotse Vahinala Raharinirina taorian’i Stéphanie Delmotte sy Lova Hasinirina Ranoromaro. Nahilika tamin’ny toerany maha Talen’ny seraseran’ny Fiadidian’ny Repoblika kosa Rtoa Soatiana Rajoelisoa, izay nomena io andraikitra io nanomboka ny 02 jona 2021, rehefa nesorina Rtoa Rakotomanga. 10 volana izany no nitazonany io toerana io. Rtoa Lova Hasinirina Ranoromaro izay tale kabinetra sivily teo aloha kosa no nafindra ho Talen’ny serasera sy ny fifandraisana eo anivon’ny Fiadidian’ny Repoblika ary nampitomboina ny andraikiny satria sady mpitondra tenin’ny Filohan’ny Repoblika. Ity farany izay voalaza fa mpiasa ambony tamin’ny orinasan’ny karana nialohan’ny nanendrena azy ho Tale Kabinetra sivily, ary niova andraikitra sy nomen-dRajoelina fitokisana bebe kokoa izao. Mirona betsaka amin’ny fisafidianana vehivavy hiara-hiasa aminy ny Filoha ankehitriny satria ankoatra azy telo vavy ireo sy ireo teo aloha miisa roa tao amin’ny fiadidian’ny Repoblika, dia vehivavy ihany koa ny Sekretera Jeneralin’ny Fiadidian’ny Repoblika (SGP) Rtoa Esperance Pelandroy, izay nasolo an’Atoa Valéry Ramonjavelo. Ankoatra an’ireny, ny volana novambra 2021 dia efa nisy ny fanendrena andriambavilanitra maromaro amina toerana ambony eo anivon’ny Fiadiadian’ny Repoblika, toa an-dry Bango Andriamasinoro Talen’ny fandrindrana ny veliranon’ny Filoha ; RatsirahonanaMercedes Tale misahana ny hetsika ataon’ny Repoblika ; Rahaingonjatovo Anne-Muriel, ary manampy azy ireo Rtoa Ratsivalaka Michelle izay nalain’ny Filoha ho Tale ao an-dapa ihany koa. 8/11 eo ireo vehivavy manana andraikitra ambony ao an-dapa, raha ny fanampim-baovao. Tena voadidina veehivavy ny Filohan’ny Repoblika, hoy ny fanehoan-kevitra samihafa, ary misy aza ny manao vazivazy fa ity no Filoha voalohany voadidina vehivavy tsara tarehy maro. Safidy manokana ve sa antony hafa mihitsy ? Ny vehivavy ve no atokisany kokoa sy mahavita asa tsara kokoa ? Tsara anefa ny manamarika fa toerana tena strajika sy goavana be avokoa ireo toerana nomena ny vehivavy ireo, ka ankoatra ny fahaiza-manao manokana, dia eo ihany koa ny mokon-doha politika sy fitoniana anaty mila ananan’izay miandraika izany.
NAFENIMPENINA ?
Somary nanaitra ihany ny tsy nanaovana tatitra avy hatrany ny filankevitry ny minisitra manokana natao ny talata teo io. Matoa manao izany, dia karazan’ny misy hamehana satria isaky ny alarobia no fotoanan’ny filankevitry ny minisitra eto amin’ny firenena, ary ny alina ihany dia efa mivoaka. Nahoana no nihazakazahana tamin’ny talata teo kanefa niandrasana alarobia efa mody masoandro vao navoaka ofisialy?
Toky R
 

Dans la même rubrique

16-avril-2024

Anio 16 aprily 2024 no hamoahan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana na

Card image cap
16-avril-2024

Isan’ireo antoko nanapa-kevitra handray anjara amin’ny fifidianana ny antoko politika Otrikafo

Card image cap
16-avril-2024

Mbola misy ny antsojay amin’ireo tsy ao anatin’ny antoko politika miaraka amin’ny fitondrana

Card image cap
16-avril-2024

Mitohy hatrany ny fitetezana ireo kaominina mandrafitra ny distrikan’Avaradrano tanterahin’ireo Kandida Solombavambahoaka

Card image cap
15-avril-2024

Ny sabotsy 13 aprily teo tetsy amin’ny Espace Fenitra Merimanjaka no nitondrana am-bavaka sy nanolorana ofisialy

Card image cap
15-avril-2024

Noraisina tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Olympia Ampitatafika ny sabotsy

Card image cap