airtel

Politique

25-mai-2022

Politique

Fitantanana Mamotika firenena ny andrakandrana

Sample post image

Efa nitondra tetezamita 5 taona ny Filoha Andry Rajoelina. Nilaza fa vita ny nampandeha ny fiainana teto na tsy nisy famatsiambola aza.

25-mai-2022

Teo dia efa misy famitahana mivantana na ankolaka ny vahoaka. Nandeha ny resaka vary mora sy menaka mora kanefa avy taiza ireny no nalaina ? Manodidina ny 2 miliara dolara ny vola vahiny tao amin’ny Banky Foibe tamin’ny fitondrana Ravalomanana, izay azo nanodinana firenena. Ny karaman’ny mpiasam-panjakana no nalamina tamin’ireny dia izay fa fiainam-bahoaka nikorosy fahana tanteraka. Tokony efa mahafantatra tsara ny atao hoe Vinam-piarahamonina, fandaharana’sa, fitantanan-draharaham-panjakana, ireo laharam-pahamehana,… raha toa tena niomana 5 taona tokoa. Olona niaina krizy sy nivory matetika niaraka tamin'ny iraisam-pirenena, ka tokony efa mahalala tsara ny atao hoe diplaomasia sy ny endriky ny fifandraisana iraisam-pirenena ary ny “Géopolitique”, ny “nouvel ordre mondial”, ny OMD&ODD., saingy toa mbola mitady hitoetra foana ilay fanasokajiana ratsy nataon’ny vahiny hatrany amin’ny tetezamita. Ankehitriny, anefa tsy mazava tsara hoe inona no fandaharan’asa, ohatrinona, tanterahana mandritra ny firy taona. Ny janoary na febroary 2021 no hoe hivoaka ilay boky nahatratra fa 90 pejy mahery mirakitra ny PEM (Plan pour l’Emergence de Madagascar). Tsy hita popoka hatramin'izao, ary ny febroary 2022 no hoe: mitady manam-pahaizana handahatra ny laharam-pahamehana, saingy tsy re ny tohiny. Inona izany ny fandaharan’asa aroso rehefa miresaka amin'ireo PTF (Partenaires Techniques et Financiers) sy ny mpamatsy vola, na mahazatra io na vaovao ? Tsy mba nanana vina sy tombatombana (vision & projection) momba ny ho avy mihitsy. Ny covid 19 sy rivodoza no atao fialana bala. Tsy hisy zava-bita raha ho andrakandrana foana satria ny governemanta aza toa isan-taona na isaky ny enim-bolana misy fanovana foana ! MIOVAOVA FOANA NY ZAVATRA ATAO “Tsy miandry mpamatsy vola mahazatra izany isika,avy eo manga lanitra eo amintsika sy ny mpamatsy vola. Hanangana fotodrafitrasa isika, hamboly artemisia isika, ataontsika rehareha sy hametrahana ny hambom-pom-pirenena ny fanatanjahantena, andao hamboly sy hiompy,... Tsy hita izay tena voafehy! Tsapa hoe baikon'ny zava-misy fa tsy nanana fandaharan’asa sy paikady ary tetiandro mazava. Mandringa ny fampandrosoana satria tsy voarindra ny isan-tsehatra. Anatin'ireo firenena 5 mahantra indrindra i Madagasikara. Mbola ho lasa mena kokoa ny tondro noho ilay fampiakarana ny fetra fandrefesana ny fahantrana ho 2,15 dolara isan'andro, raha 1,90 dolara teo aloha . Azo antoka fa hitombo izany ny isan'ny Malagasy mahantra fadiranovana. Ny tsy fandriampahalemana tena loza. Ireo mpandraharaha tsy mety tena mahazo aina, afatsy ireo akaikin'ny mpitondra angamba. Tsy mbola maharesy lahatra ireo mpampiasa vola i Madagasikara, izay sombitsombiny latsaka avy amin'ny latabatry ny famatsiambola no tonga eto. Raha manam-bola 6 miliara dolara isan-taona i Madagasikara, efa misy zavatra miova mihatsara eto. Tsy mihoatra ny 1 miliara dolara aloha hatreto no azo , ary io aza mbola nandritra ny Covid 19, saingy mbola ratsy tantana. Mitombo ny fahasahiranana isan-tsehatra ary efa hita any anaty fiarahamonina ny vokadratsiny: ady, vono olona, halatra, fitsaram-bahoaka, fisolokiana, Maro ny olom-pirenena miraviravy tanana.
Toky R
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap
24-avril-2024

Tsy misy intsony ny Fanjakana tan-dalàna ka mijoro ireo mpahay lalàna sy avara-pianarana sy ny vato

Card image cap
24-avril-2024

Namoaka tatitra ny depiote Rahasimanana Paul Bert na Rossy omaly,

Card image cap
24-avril-2024

Hanomboka ny datin’ny 08 ka hatramin’ny 27 Aprily ho avy izao ny

Card image cap
24-avril-2024

Tao anatin’ny hetsika fotsy aho ary mbola anatin’ny fanoherana, hoy ny kandida ho depiote,

Card image cap
24-avril-2024

Novorian’ny Governora Guy Ramarosandratana ireo staff-n’ny faritra Mangoro sy ny Birao politika TGV-Distrika Ambatondrazaka ny takarivan’ny 19 aprily teo.

Card image cap