airtel

Politique

28-janv-2022

Politique

Fitantanana manjavozavo Manomboka tabatabain’ny vahoaka ny Filoha

Sample post image

Manomboka tabatabain’ny vahoaka ny Filoha Andry Rajoelina. Betsaka no leo sy tofoka tanteraka amin’ny tsy fahombiazan’ny Fanjakana tarihiny. Nisy ilay fenehoan’ny Rtoa iray tetsy Tanjombato ny alatsinainy 25 janoary 2022

28-janv-2022

 teo anoloan’ny Filoham-pirenena raha nidina ifotony ity farany hoe: “Prezida tsy mivaky loha anay mihitsy”, izay na ny Filoha no tiany horesahina na ny Lehiben’ny fokontany, dia tsy takona hafenina ny fahasosoran’ny olona. Betsaka no mimenomenona, kivy sy tezitra satria efa tena mafy ilay fiainana. Ilay Fanjakana be resaka, be fampanantenana, be kajikajy,… lazaina fa TGV (Train à Grande Vitesse) kanefa tena manao fandehan-tsokatra amin’ny fikarohana vahaolana maharitra. Efa miharihary izany ny fahatezeram-bahoaka izay tsy vao izao fa efa hatry ny ela, toy ilay nahazo ny Filoha tetsy Mahazo ny faramparan’ny janoary 2020 izay nohorakorahan’ny vahoaka ny tandrozotram-piara nitondra azy. Ara-politika, fitoniana an-tery na « stabilité forcée » fa tsy misy fahamarinan-toerana ny Fitondrana, saingy efa nahazo lesona tamin’ny 2009 ny rehetra, ny vahoaka mahantra tsy afa-mikofoka firy, saingy efa maneho amin’ny endriny maro ny fahatezerany. Olana amin’ny sehatra rehetra no miseho ankehitriny: vidim-piainana midangana, toakerana mitotongana, sandam-bola mijotso andro aman’alina, fahantrana tsy roa aman-tany, orinasa misedra olana, tsy fandriampahalemana mahazo laka, delestazy andro aman’alina, làlana potika, kolikoly mahazo laka, trafikana harem-pirenena mahazo vahana, tanàna dibo-drano, vahoaka traboina,… Ny programam-panjakana anefa misavoamboana, ny olana miha misavovona, fitantanana krizy no misy eto fa tsy misy vina lavitra hialana ao anaty fahantrana.
TOKONY HO MPAMAHA OLANA
Matoa nifidy ny lohany dia tsy tokony hatahotra ny masony satria ny mpitondra tsy maintsy mikaroka vahaolana fa tsy manilika izany, miatrika olana dia mamaha olana ary mila mahay mihaino sy mireasaka amin’ny hafa, saingy eto izay tsy mitovy hevitra sy manakiana ny tsy fihetezan-javatra sy ny tsy fahaizana mijery ny laharam-pahamehana eto, dia lazaina fa misakana fampandrosoana sy fahavalom-pirenena. Ny mpitondra teo aloha efa tsy eo hatrany anefa no ezahana tanisaina sy hanilihana,… Ny firenena maneran-tany niezaka nametraka ny drafi-piharenana taorian’ny coronavirus na “Plan de rélance” fa ny antsika mba inona ? Na ilay PEM (Plan pour l’Emergence de Madagascar) aza nigebona tsy hita intsony. Tanisaina izao vina, programa, velirano,… fa izay fahatanterahany sy vokany ankampobeny amin’ny firenena tsy hita. Fitetezam-paritra sy fizarana fanampiana no lasa programam-panjakana? Na ny ao anaty fitondrana aza maro no efa kivy sy maneho fa miandry izay hiakaran’ny soratra sisa.
Toky R
 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

Kandida avy amin’ny antoko AREMA miisa 25 no tsy afaka mandray anajara amin’ny fifidianana ho

Card image cap
18-avril-2024

Nanahirana ny nikarakara ny taratasy filatsahan-kofidiana solombavambahoaka tamin’ity,

Card image cap
18-avril-2024

Tongotra mby an-dakana ny fifidianana Solombavambahoaka hotanterahina ny 29 Mey

Card image cap
18-avril-2024

Rava omaly Alarobia 17 Aprily ny DISTIM teo aloha na ny distrika TIM ao anatin’ny distrikan’Avaradrano.

Card image cap
18-avril-2024

Nivoaka ny alin’ny talata ny lisitr’ireo kandida voatazona hifaninana amin’ny fifidianana hatao ny 29 mey.

Card image cap
18-avril-2024

Manana kianja fa tsy azo hilalaovana, manana kaompania fa tsy misy fiaramanidina,

Card image cap