airtel

Politique

23-nov-2021

Politique

Fitantanana ny COMESA Hamindra fahefana amin’ny Filoha Egyptianina i Rajoelina

Sample post image

Nigadona omaly tany Le Caire - Egypte hiatrika ny fihaonana an-tampony faha-21 eo anivon’ny COMESA (Common Market for Eastern and Southern Africa)

23-nov-2021

 na ny tsena iraisana ho an’ny Faritra Antsinanana sy Atsimon’I Afrika ny Filohan'ny Repoblika Andry Rajoelina, izay mitarika ny delegasiaona Malagasy any an-toerana ahitana ny Minisitry ny varotra sy ny Minisitry ny raharaham-bahiny. Fanamafisana ny fahafahana miarina amin'ny alalan'ny fampiasana ny fisokafana ara-ekonomika sy ny fampiasana ny nomerika sy stratejika moa no lohahevitra hodinihana mandritra ity fihaonana an-tampony faha-21 ity. Ny Filoham-pirenena Malagasy no Filohan’ny COMESA taorian’ny fivoriana tany Lusaka Zambie ny Jolay 2018, fony Atoa Hery Rajaonarimampianina no Filoham-pirenena, ka dia nandimby io toerana io avy hatrany I Andry Rajoelina rehefa tonga teo amin’ny fahefana, ary mifarana tanteraka ny fitantanany izany ankehitriny. Hanamarika ity fivoriam-ben'ny COMESA ity noho izany ny fifamindram-pahefana hatao hatao anio 23 novambra 2021 eo amin'ny Filoha Andry Rajoelina izay filoha amperinasan'ny Fivorian'ireo Filoham-pirenena sy Filoham-panjakana ao anatin'ny COMESA, sy ny Filoha Egyptianina Abdel Fattah Al-Sissi, izay handimby azy. Mialohan’izay anefa, dia hanokatra ny fotoana ny Filoha Malagasy Andry Rajoelina. Somary mampametra-panotaniana hoe: mba nahay nararaotra sy afaka tena nikatsaka ny tombotsoam-pirenena ve ny Filoha Malagasy tamin’ny maha Filohan’ny COMESA azy sa mba anarana sy voninahitra fotsiny? Hisy kosa ireo Filoham-panjakana izay hanatrika izany amin’ny “viséoconférence” satria nisafidy tsy ho any Egypte noho ny lafiny ara-pahasalamana. Voalaza moa fa hisy ny fihaonana samihafa ataon’ireo delegasionina Malagasy, ao anatin’ny fanatanterahana ny PEM (Plan pour l’Emergence de Madagascar). Ny drafitra sy ny politikam-panjakana, izay tsy marin-toerana sy tsy mari-pototra, ary toa mitsingevaeva hatramin’izao.
Toky R
 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

Kandida avy amin’ny antoko AREMA miisa 25 no tsy afaka mandray anajara amin’ny fifidianana ho

Card image cap
18-avril-2024

Nanahirana ny nikarakara ny taratasy filatsahan-kofidiana solombavambahoaka tamin’ity,

Card image cap
18-avril-2024

Tongotra mby an-dakana ny fifidianana Solombavambahoaka hotanterahina ny 29 Mey

Card image cap
18-avril-2024

Rava omaly Alarobia 17 Aprily ny DISTIM teo aloha na ny distrika TIM ao anatin’ny distrikan’Avaradrano.

Card image cap
18-avril-2024

Nivoaka ny alin’ny talata ny lisitr’ireo kandida voatazona hifaninana amin’ny fifidianana hatao ny 29 mey.

Card image cap
18-avril-2024

Manana kianja fa tsy azo hilalaovana, manana kaompania fa tsy misy fiaramanidina,

Card image cap