airtel

Politique

18-févr-2022

Politique

Fitantanana ny firenena Diso fanantenana amin-dRajoelina ny tanora

Sample post image

Maro tamin’ireo tanora izay tafaresaka taminay no naneho ny heviny mikasika ny fitondrana misy amin’izao izay tantanin’ny filoha Andry Rajoelina.

18-févr-2022

Ireo tetikasa entina hanampiana tanora fotsiny aza dia efa nahakivy azy ireo izay misy sasany tetikasa tsy mipaka mivantana amin’ireo tanora izay tokony ihantefany. Maro ny olanay hoy ireo tanora ny tsy fisian’ny asa nefa ny vidim-piainana miakatra isan’andro. Eo koa ny halafon’ny saram-pianarana eny anivon’ny anjerimanontolo izay tsy miankina amin’ny fanjakana izay sakana tsy hatafitanay hoy hatrany izy ireo. Ny oniversitem-panjakana izay tokony hanampy betsaka tsy afaka mandray intsony nohon’ny hamaroan’ny mpianatra ary misy aza no tsy voaray intsony. Naneho ny heviny koa ireo mpianatra mikasika ny tsy fampian’ny fialam-boly izy ireo toy ny toerana fanaovana fanatanjahatena izay natao manarapenitra nefa handoavam-bola lafo izay sakana hatrany hoan’ny tanona. Vitsy ireo tanora no manana diplaoma nefa nahazo asa . Tsy ny fananganana orinasa anefa no ataon’ny filoha hoy ireo mpianatra izay sendranay fa ny fananganana tetikasa hafa. Ekena hoy izy ireo ny fisian’ny tetikasa fanampiana ny tanora toy ny fizarana tany sy ny omby vavy be ronono ary ny tetikasa fampidramam-bola ataon’ny fanjakana saingy tsy ampy ho anay izany hoy hatrany izy ireo. Fehiny diso fanantenana ny tanora Malagasy tamin’ity fitondrana ity . Sarotra ho azy ireo ny handray anjara amin’ny fifidianana sy hifidy ny mpitondra amin’izao satria fampanantenana pokaty avokoa no azon’izy ireo.
Tolin
 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

Kandida avy amin’ny antoko AREMA miisa 25 no tsy afaka mandray anajara amin’ny fifidianana ho

Card image cap
18-avril-2024

Nanahirana ny nikarakara ny taratasy filatsahan-kofidiana solombavambahoaka tamin’ity,

Card image cap
18-avril-2024

Tongotra mby an-dakana ny fifidianana Solombavambahoaka hotanterahina ny 29 Mey

Card image cap
18-avril-2024

Rava omaly Alarobia 17 Aprily ny DISTIM teo aloha na ny distrika TIM ao anatin’ny distrikan’Avaradrano.

Card image cap
18-avril-2024

Nivoaka ny alin’ny talata ny lisitr’ireo kandida voatazona hifaninana amin’ny fifidianana hatao ny 29 mey.

Card image cap
18-avril-2024

Manana kianja fa tsy azo hilalaovana, manana kaompania fa tsy misy fiaramanidina,

Card image cap