airtel

Politique

03-nov-2021

Politique

Fitantanana ny Firenena Sahirana Rajoelina vao lasa Ratsiraka

Sample post image

Hita taratra ny tsy fahampian’ny tolo-tsaina sy toromarika amin’ny fitantanana firenena ankehitriny, hany ka toa mandeha an-jambany arakaraka ny zava-misy sy miseho ny fitantanan’ny Filoha Rajoelina ny firenena.

03-nov-2021

 Niainga tany amin’ny taona 2009, isan’ireo mpitari-dàlana ara-politika na “mentor”-n’ny Filoha ankehitriny Atoa Andry Rajoelina Itompokolahy Amiraly Didier Ratsiraka. Tsy tonga tamin’izao toerana nisy azy izao ny Filoha ankehitriny raha tsy nisy an’ity Filoha efa nodimandry ity, izay efa naneho tamin’ny fahavelomany, fa nanampy an-dRajoelina tamin’ny raharaha 2009. Nahay miasa mangina, nanindry bokotra avy any ambadika mba nanampiana ny Filoha ankehitriny ny tenany fahavelony, nanao izay ho afany nanampiana ny Filoha na nisy tsy fitovian-kevitra aza indraindray. Alohan’ny nahafatesany aza, moa dia voalaza fa mbola nifampiresaka izy mirahalahy mianaka. Ankehitriny, tsapa ho sahirana tanteraka ny Filoha ankehitriny, mihanjahanja. Eo ny lafiny toekarena sy ny sosialim-bahoaka izay tsy takona hafenina ny fitotonganany, fa eo amin’ny lafiny politika, dia tena hita ho mikorontana ambony ambany ny fitondrana. Ny ao anatiny aza toa mifamely sy tsy mifampatoky. Isan’ny manana ny maha izy azy tamin’ny fipasohana daomy ara-politika, ohatra, izany Norbert Lala Ratsirahonana izany, ary nitantana an-dRajoelina tamin’ny fahazoana fahefana tamin’ny raharaha 2009 sy toa teo anilany foana, saingy io iaraha-mahalala io ny ady mangatsiaka mba tsy hilazana fa ady mangotraka toa efa vaky am-batolampy. Toa miantraika any amin’ny toe-draharaha politika sy ny fitantanana ny firenena ireny ka asa hanao ahoana ny hoavy politikan’ny Filoha am-perin’asa?
TSY VITAN’OLON-TOKANA
Tsy vitan’ny olon-tokana ny fitantanana firenena, fa tena mila mpiara-miasa mahay sy kinga amin’ny lafiny rehetra ny fitantanana firenena: politika, toekarena, sosialy, famokarana, angovo, indostria,… Ny firenena iray matoa mandroso dia tsara mpanolo-tsaina ny mpitantana. Mila fanetren-tena io, ary fahadisoan-kevitra goavana ny fiheveran-tena ho mahay sy mahavita samirery, fa tena mila mivelatra. Tsy adala ireo ireo mpitondra tany aloha niezaka nanangona sy namondrona ireo manam-pahaizana goavana Malagasy nielim-pantrana eraky ny vazan-tany. Nisy aza Filoham-pirenena tena niantso manam-pahaizana vahiny hampianatra sy hizara traikefa taminy sy tamin’ny Malagasy. Mety nanao izany ny ankehitriny, saingy mety tsy ampy, na tsy resy lahatra sy tsy mahatoky ny mpitondra ankehitriny ny olona.
Toky R
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Mankahery ny vahoaka malagasy manoloana ny zava-misy ankehitriny

Card image cap
28-mars-2024

Nisy omaly 27 martsa takariva ny karazana fandaharana sy fanambarana nataon’ny PAN.

Card image cap
28-mars-2024

Ankoatra ny fitoriana mba hanonganana tsy ho depiote ny Filohan’ny Antenimierampirenena Rtoa Christine Razanamahasoa,

Card image cap
28-mars-2024

Nidoboka am-ponja ao Antanimora efa tapa-bolana izao Atoa JR lehiben’ny faritra Analanjirofo tamin’ny fitondrana Rajaonarimampianina,

Card image cap
28-mars-2024

Misedra olana marolafy ny firenena na ara-politika na ara-toekarena na ara-tsosialy!

Card image cap
28-mars-2024

Manamafy ireo mpikatroka ifotony ao anatin’ny Antoko TIM ao anatin’ny distrikan’Avaradrano,

Card image cap