airtel

Politique

06-avril-2021

Politique

Fitantanana tsy mahomby Velon’ahiahy hatramin’ireo mpanohana ny Filoha

Sample post image

Mangina sy mitandrina tanteraka ireo olona manodidina ny Filoha Rajoelina amin’ny fanehoan-kevitra ara-politika.

06-avril-2021

 

 

 

Efa manomboka velon'ahiahy hatramin'ny mpomba azy na manam-pahefana io na olon-tsotra, .ary mihena isa ankehitriny ireo maneho hevitra mivantana miaro ny fomba fiasan'ny fanjakana Rajoelina. Aleon-dry zareo tsy miteny satria asa na menatra na ahoana? Maro no efa mahatsapa fa menamena ny tondro rehetra. Ny ao anaty governemanta maro no tsy andrenesam-peo intsony, misy minisitra hatry ny ela no tsy hita tabilao. Ny politisianina sasany, misafidy ny hangina satria tsy takany na tsy fantany intsony ny politika hoentin’ny Fitondrana miatrika ny raharaham-pirenena. Lesoka goavana isan’ny nahazoan’ny Fanjakana Rajoelina kiana mafy ny resaka coronavirus. Karazan’ny nolalaovina sy natao sorona noho ny hambom-po politika ny vahoaka Malagasy. Tsy nahomby ny paikady, ary efa tratry ny tsy azo hanoharana vao manaiky fa marina sy mitombina ny hevitra ny hafa. Maro tamin’ny olona ambony no nitsoa-pahana nandeha nitsabo tena tany an-dafy noho ny tsy fahatokisana ny rafi-pahasalamana sy ny fitsaboana teto, na nisy aza ny voalaza fa nisafidy ny hotsaboina eto Madagasikara. Maro ireo olona ambony tamin’ny sehatra samihafa namoy ny ainy. Tsy misy sori-dàlana mazava intsony ny fomba fitantanana an’i Madagasikara, fa misavoamboana tanteraka, miankina amin’ny zava-miseho sy mintranga, ary lasa politikan’ny vono afo sisa atao. Tsy manana vahaolana ara-toekarena sy ara-tsosialy, fa zary mandeha an-jambany eo fotsiny sisa. Ireo fampanantenana samihafa tsy misy tanteraka, ny hoenti-manana ara-bola tsy misy,… Raha maro no mijoro niaro ny politika napetraky ny Fanjakana, milaza fa miasa ny fitondrana, efa mandroso ny firenena,… dia mangina toy ny sosoa voatapo-drano ankehitriny, ary maro ny mahatsapa, fa tsy misy zavatra mandeha amin’ny laoniny eto, ka aleo mangina sy tsy miaro be fahatany ny efa hita fa tsy mety.

Toky R

Dans la même rubrique

18-avril-2024

Kandida avy amin’ny antoko AREMA miisa 25 no tsy afaka mandray anajara amin’ny fifidianana ho

Card image cap
18-avril-2024

Nanahirana ny nikarakara ny taratasy filatsahan-kofidiana solombavambahoaka tamin’ity,

Card image cap
18-avril-2024

Tongotra mby an-dakana ny fifidianana Solombavambahoaka hotanterahina ny 29 Mey

Card image cap
18-avril-2024

Rava omaly Alarobia 17 Aprily ny DISTIM teo aloha na ny distrika TIM ao anatin’ny distrikan’Avaradrano.

Card image cap
18-avril-2024

Nivoaka ny alin’ny talata ny lisitr’ireo kandida voatazona hifaninana amin’ny fifidianana hatao ny 29 mey.

Card image cap
18-avril-2024

Manana kianja fa tsy azo hilalaovana, manana kaompania fa tsy misy fiaramanidina,

Card image cap