airtel

Politique

03-sept-2021

Politique

Fitokanana kianja hitalakotroka Mbola hogiazana eto ihany ve ny Barea ?

Sample post image

Vita ny lalaon’ny Barea omaly, izay nosantarina tamin’ny faharesena. Ny lalao manaraka no afahana manarina azy, ka ny akaiky indrindra dia ilay fifanandrinana amin’I Tanzanie any Dar Es Salaam ny 7 septambra ho avy izao.

03-sept-2021

 Tokony hifantoka betsaka any amin’io izany ny mpilalao Malagasy. Raha ny fandaharam-potoana tany am-boalohany, dia tokony ho nanainga omaly hariva taorian’ny lalao omaly ny Barea. Nisy anefa ny fihemorana ary rahampitso 4 septambra no mety hanainga, raha ny nambaran’ny tompon’andraikitry ny seraseran’ny FMF ny alarobia lasa teo. Rehefa tena zohiana ny tantara, dia nanova zavatra ilay tsy fifankahazoana teo amin’ny FMF sy ny Fanjakana foibe tarihin’I Andry Rajoelina. Nofaritan’ny mpitondra ho natao omaly ny 2 septambra nialohan’ny lalao ny fitokanana Kianja, saingy niova noho ny fapanapahan-kevitra noraisin’ny CAF tany aloha, fa tsy azo hatrehina ny lalao, ka nambara fa ny 4 septambra indray ny fitokanana. Na niova ho azon’ny olona 10 000 nojerena aza, dia mbola notazonina ilay datin’ny rahampitso 4 septambra hitokanana ny kianja. Azo heverina, fa noho io no nanovana ny programan’ny ekipam-pirenena. Mbola hanaovana “werawera” etsy Mahamasina aloha, mbola mila manome voninahitra ny Filoha mamim-bahoaka hitokana kianja sy hifety be,… Asa anefa raha nanova zavatra ilay faharesena omaly ka mety ho lasa aloha ny Barea mba hanomana ny lalao manaraka na ny seho ivelany sy ny rendrarendran’ny fitondrana aloha no mandeha aloha? Sa tsy olana izany fa giazana eto ihany aloha ny ekipa? Milamina ve ny fanomanana ny dia? Hifety be mitalakotrokotroka ihany izany rahampitso na eo aza ny faharesena manamaloka ny ekipam-pirenena sy ny tontolon’ny kitra Malagasy ?
Toky R¬
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap
24-avril-2024

Tsy misy intsony ny Fanjakana tan-dalàna ka mijoro ireo mpahay lalàna sy avara-pianarana sy ny vato

Card image cap
24-avril-2024

Namoaka tatitra ny depiote Rahasimanana Paul Bert na Rossy omaly,

Card image cap
24-avril-2024

Hanomboka ny datin’ny 08 ka hatramin’ny 27 Aprily ho avy izao ny

Card image cap
24-avril-2024

Tao anatin’ny hetsika fotsy aho ary mbola anatin’ny fanoherana, hoy ny kandida ho depiote,

Card image cap
24-avril-2024

Novorian’ny Governora Guy Ramarosandratana ireo staff-n’ny faritra Mangoro sy ny Birao politika TGV-Distrika Ambatondrazaka ny takarivan’ny 19 aprily teo.

Card image cap