airtel

Politique

10-sept-2021

Politique

Fitondrana manafintohin'olona Fihetsiketsehana 1 kaontenera , asa vita 1 kapoaka

Sample post image

Ity Fitondrana ity no “Scandales” sy nanao toe-javatra nanafintohina olona betsaka indrindra tao anatin’ny 60 taona,

10-sept-2021

saingy tsy mba mety diso amin’izay ataony. Misy olona ambony tany amin’ny Prezidansa voarohirohy amina afera goavana toa nampitsoahana any andafy izay toa mitarika ny sain’ny olona hihevitra fa nisy zava-dratsy tokoa izany tao, olom-boafidy manao vava be any anaty tambazotran-tserasera, depiote sy minisitra mifanenjika, depiote sy governora mifandramatra, vadina minisitra mandrahona jeneraly, minisitra tratry ny resabe,… Miharihary ny tsy fahaiza-mitantana, ny ahiahiana kolikoly avo lenta, ny vava sy teny tsy voahevitra,… izay manafintohina ny olona. Toa manondrana iray trano ny fitondrana, ary sasatry ny mamono afo. Izany ve hahavita handamina sy handrindra fitantanana firenena? Resaka fampandehanan-draharaha mihitsoka. Miaina amin’ny sehoseho sisa, tia mirevirevy sy mamorona fety eo ambony fahoriam-bahoaka, mbola mahavita mihantsy ady,… Mampanonofy amin’ny makety, maika amin’ny endrika ivelany, zesita teknika ny zava-drehetra, ary io hita mivaingana amin’ny resaka baolina kitra io hoe tsy zavatra sy endrika ivalany toy ny fahavitana kianja vaovao no hampanao “mondial” Barea. Any Paris revy tsy revy nahagaga vazaha hoe hay manana ihany ilay Malagasy fa mody mitapy, kanefa ny mpitondra no mihaingo ambony tsikoko maneso ny fahorian’ny Malagasy. Ny vidin’ny entana ilaina amin’ny andavanandro na ny PPN tsy voafehy, fa resabe no betsaka hatreto. Raha nisy fiakarany 300 na 400Ar ka misy fidinany 100Ar ohatra, dia toy ny hoe: Mesia nahavaha olana ny fiheveran’ny Fanjakana ny tenany. Ny resaka tsy fandriampahalemana dia olom-boafidy akaiky ny fitondrana aza no milaza fa dahalo 30 lahy manafika fokontany tetsy Ambohidratrimo, vao omaly hariva ny fanafihana tanàna namoizana ain’olona tany Brieville.
TSY FANTATRA MAZAVA INTSONY
Ny politikam-panjakana kosa tsy hita soritra satria na ny PEM (Plan pour l’Emergence de Madagascar) izay nambara fa hampahafantarina aoriana kelin’ny 19 janoary 2021 aza 8 volana aty aoriana tsy hita ihany. Nisy ny fifanaovan-tsonia ara-bola 490 tapitrisa dolara vao tsy ela, saingy mitsitaitaika ny fandoavana azy, ary tsy tena hita soritra,… ary tsy misy resaka mazava hoe hanaovana IEM sy PEM. Mailo ny sehatra iraisam-pirenena manoloana ny heverina ho tsy fangaraharana tamin’ny fitantanana ny 1,3 miliara dolara tany ho any fitambaran’ny vola azo tamin’ny coronavirus. Noresahina tany amin’ny volana jolay 2020 ny ambara fa drafitra goavana “Plan Marshall” misy tetibola 1043 miliara Ar ny jona 2020, saingy ny zavatra notanisaina hatao tamin’ireny no mbola tanisaina aty aoriana. Mba tena mandeha araka ny nampanantenaina ve ny Tanamasoandro? Mby aiza ny téléphérique? Mba manao ahoana ny “Autoroute”? Ny 15 febroary 2021 dia nilaza ny mpamatsy vola fa ny PMDU (Plan Multi-Sectoriel D’Urgence) no tohizana hatramin’ny jona. Nambaran’ny Praiminisitra, fa ho avy ny PEM, ary io PEM io no mandray azy aorian’ny PMDU, saingy efa volana septambra isika izao tsy hita ihany.
Toky R
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Miala any sahady ny lalao maloto ho an’ny fifidianana Solombavambahoaka tanterahina ao anatin’ny distrikan’Avaradrano.

Card image cap
22-avril-2024

Etsy amin’ny La Rotonde Besarety amin’ity tolakandro ity no hifamotoana ireo mpahailalàna,

Card image cap
22-avril-2024

Nafana ny fihetsiketsehana nataon’ny mpitondra notarihin’ny Filoham-pirenena tany

Card image cap
22-avril-2024

Nidina ifotony teny Talatan’i Volonondry sy Ambolo ny kandidan’ny Kolekitifa an’ny

Card image cap