airtel

Politique

19-avril-2022

Politique

Fitondrana Rajoelina Be vava kanefa misolelaka amin’ny FMI ihany

Sample post image

Tsarain'ny karatra sy ny tantara Rajoelina sy ny ekipany fa tsy araka ny vava be tamin'ny propagandy.

19-avril-2022

Novententesina tamin'izany fa ny an'i Marc Ravalomanana dia ny hitrosa sy hindram-bola amin’ireo mpamatsy vola mahazatra ihany ihany. Nolazaina fa mampahantra izany ary tsy handroso i Madagasikara na ao anatin’ny 30, eny 50 taona aza raha mbola hiantehitra amin'ny mpamatsy vola mahazatra, fa rehefa i Andry Rajoelina no eo isika indray aza no hampindram-bola an'i Kaomoro, hoy ny vavabe nataon’ny kandida laharana faha 13 tamin’izany fotoana. Zatra namatam-bonona tamin'ny tetezamita, nilalao saim-bahoaka tamin'ny hoe: tsy nisy famatsiam-bola aza afaka nitondra sy nampiodina fireneny. Nahatratra 1,8 miliara dolara anefa ny tahirim-bola vahiny tao amin'ny banky foibe tamin'ny fionganan'ny Fanjakana Ravalomanana nahafana nampiodina firenena tsara tamin'izany. Ankehitriny, kofona tanteraka ny Fanjakana Rajoelina raha tsy misy famatsiam-bola. Ny fampiodinana ny raharaham-panjakana aza tena mbola iankinan-doha. Inona no natao teto raha tsy nisy fanampiana avy any ivelany tamin'ny coronavirus ? Io fa mandady amin'ny mpamatsy vola mahazatra satria tapi-dalan-kaleha, tsy manan-tsafidy intsony. Telo taona sy tapany aty aoriana vao mandady amin'ny Banky Iraisam-pirenena (BM), Tahirim-bola Iraisam-pirenena (FMI) amin'ny fanatanterahana ny PEM (Plan pour l'émergence de Madagascar) raha. Noho ny fahantrana mandifitr'olona vokatry ny tsy fahaiza-mitantana, nataon'ny Firenena Mikambana sy ny mpamay vola mahazatra ho firenena filamatra na "pays pilote" ho an'ny firenena marefo indrindra i Madagasikara. Tsy voninahitra izany fa fahafaham-baraka satria ny noventesin-dRajoelina 4 taona lasa izay dia ny hoe: Ho sangany aty, hanavotra izao tontolo izao, tsy mila mpamatsy vola,... Midika fa tsy nahomby fa ronono an-tavy nakana vaton'ny mpifidy ireny rehetra ireny, fa tsy nanana politika matotra hitondrana firenena i Andry Rajoelina sy ny ekipany fa ny naka fahefana no no ambony indrindra. Rehefa tonga teo tsisy hafitsoka. Politika sy programa misavoamboana. Ny tomban'ny harena 17,5 miliara dolara kanefa ny vina sy programa mety lahatra 35 miliara dolara, hany ka makety no betsaka.
TSY MILA WERAWERA
Vao miresaka mpamatsy vola mahazatra : FMI, Banky Iraisam-pirenena,... dia naman'ny mampamangy ny "werawera". Ny resaka toekarena sy sosialy no ifotorana. Mitaky fitantantanana mangarahara na "bonne gouvernance", ady amin'ny kolikoly, fifidianana madio, miralenta,...Na izany aza, sarotra ny hahita fahagagana ato anatin'ny herintaona sy tapany hitondran-dRajoelina. Hangidy aminy ny fifidianana ho avy raha tsaraina amin'ny vokatry ny fitantanany.
Toky R
 

 

Dans la même rubrique

16-avril-2024

Anio 16 aprily 2024 no hamoahan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana na

Card image cap
16-avril-2024

Isan’ireo antoko nanapa-kevitra handray anjara amin’ny fifidianana ny antoko politika Otrikafo

Card image cap
16-avril-2024

Mbola misy ny antsojay amin’ireo tsy ao anatin’ny antoko politika miaraka amin’ny fitondrana

Card image cap
16-avril-2024

Mitohy hatrany ny fitetezana ireo kaominina mandrafitra ny distrikan’Avaradrano tanterahin’ireo Kandida Solombavambahoaka

Card image cap
15-avril-2024

Ny sabotsy 13 aprily teo tetsy amin’ny Espace Fenitra Merimanjaka no nitondrana am-bavaka sy nanolorana ofisialy

Card image cap
15-avril-2024

Noraisina tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Olympia Ampitatafika ny sabotsy

Card image cap