airtel

Politique

26-nov-2021

Politique

Fitondrana Rajoelina Fitaovam-piadiana no tena maha maika azy!

Sample post image

Miteraka fanamarihana sy fanakianana sesilany avy amin’ny olom-pirenena sy ny firaisamonim-pirenena ny voalaza fa fisian’ny vinan’ny Fanjakana hividy fitaovam-piadiana mitentina 448 miliara ariary amin’ny Indianina.

26-nov-2021

Maro no mametra-panontaniana hoe : izany ve no maika sy laharam-pahamehana amin’izao? Ekena fa mampiseho ny Fanjakana hoe: nampiana sy nampitomboina ny tetibola ho an’ny lafiny sosialy ka raha 345 miliara Ar ny tetibola teo aloha dia nakarina ho 713 miliara Ar, saingy hafahafa sy mampanahy ihany ny fihazakazahana hividy fitaovam-piadiana izany, ary tena midangana be io. Marina fa tsy mandry fahalemana ny tany, saingy tsy any amin’ny fampitomboana fitaovam-piadiana hanambazana ny tafika angamba ny maika, fa ny famoronan’asa, fanomezana asa ny tanora, fampidinanana ny vidim-piainana, fampitomboana sy fanohanana ny famokarana, fanalalahana sy fanamorana ny fandraharahana sy ny fampiasam-bola,… Mahagaga fa tia mividy sy mampiditra fitaovam-piadiana ny Filoha Rajoelina sy ny ekipany. Efa ady hevitra goavana tamin’ny andro voalohany nandraisany fahefana ny nampisehoana ireo fitaovam-piadiana tetsy Mahamasina ny 19 janoary 2019. Mbola olon-tsotra tsy nanana fahefana I Andry Rajoelina dia efa nahavita nampiditra fitaovam-piadiana talohan’ny fifidianana 2018, izay midika fa niomana tamin’ny fandrombaham-pahefana tamin’ny alalan’ny ady, hoy ny fanehoan-kevitra politika maro. Io no voalaza fa isan’ny nampilefitra ny kandida Marc Ravalomanana. Niafara tamin’ny fanadihadiana parlemantera nataon’ireo loholona HVM ity resaka fampidirana fitaovam-piadiana nambaran’izy ireo fa antsokosoko sy tsy ara-dalàna ity, raha toa ka nilaza kosa ny tompon’andraikitra ambony iray teo anivon’ny zandarimariam-pirenena, fa ara-dalàna ny dingana nampidirana azy ireny. Nialohan’ny fifidianana ny nidiran’ny fitaovam-piadiana niteraka resabe tamin’ny 2019, ary ny taona 2022 ihany koa dia ankatoky ny fifidianana. Fifandrifian-javatra ihany ve izany?

AHOANA NY TOHIN’ILAY FIARAMANIDINA CASA?
Tsy voaloa tanteraka ny volan’ny tompony dia nosintoniny, hoy ny gazety Le Monde. "Misy fanovana teknika tsy maintsy atao…. Ny famerenana ny fiaramanidina izay an'ny Malagasy haveriko indray sady tsipihiko fa an'ny Fanjakana Malagasy tanteraka dia mbola misy pitsopitsony ara-teknika: ao ny "maintenance" satria fiaramanidina ngeza be io, ao ny fifanarahana amin'ny fampianarana ny mpanamory Malagasy, ny fandraisana azy ara-teknika,...", hoy ny Minisitry ny fiarovana ny 17 septambra 2021. Aiza ihany? Tsy nisy fe-potoana mazava ny famerenana azy izay toa manaporofo fa fampandriana adrisa no betsaka!?
Toky R


 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Mankahery ny vahoaka malagasy manoloana ny zava-misy ankehitriny

Card image cap
28-mars-2024

Nisy omaly 27 martsa takariva ny karazana fandaharana sy fanambarana nataon’ny PAN.

Card image cap
28-mars-2024

Ankoatra ny fitoriana mba hanonganana tsy ho depiote ny Filohan’ny Antenimierampirenena Rtoa Christine Razanamahasoa,

Card image cap
28-mars-2024

Nidoboka am-ponja ao Antanimora efa tapa-bolana izao Atoa JR lehiben’ny faritra Analanjirofo tamin’ny fitondrana Rajaonarimampianina,

Card image cap
28-mars-2024

Misedra olana marolafy ny firenena na ara-politika na ara-toekarena na ara-tsosialy!

Card image cap
28-mars-2024

Manamafy ireo mpikatroka ifotony ao anatin’ny Antoko TIM ao anatin’ny distrikan’Avaradrano,

Card image cap