Mbola ao ny minisitry ny serasera sy ny kolontsaina, Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo sy ny vadiny izay sekretera jeneraly eo anivon’ny minisiteran’ny angovo sy ny akoran’afo, Andry Andriatongarivo. Tsy iverenana intsony angamba ny tranga neverina ho mahamenatra na “scandale” nanamafy izany resabe izany dia ilay resaka fiarahana amina artista sy ilay basy nipoaka teny Ambatobe. Naha lasa ny heritreritry ny mpanara-baovao koa tamin’ireny ny hoe ny vadiny, Rojoniaina Ranaivosoa Andriamaholy, mpikamban’ny fitsarana avo momba ny lalam-panorenana na HCC dia izy, Dina Andriamaholy, sekretera jeneraly eo anivon’ny fiadidiana ny repoblika. Mbola voatendry ho minisitry ny asa sy fampananan’asa ary asam-panjakana indray koa ny sady minisitry ny fitsarana mpisolo toerana farany teo, Gisèle Ranampy, izay vadin’ny filohan’ny vaomiera misahana ny fifidianana amin’izao fotoana izao na CENI, Dama Arsène Andrianarisedo. Miha lalina hatrany ankehitriny ity resaka kiantrano antrano anaty fitondrana ity ary ny omaly ny omaly ihany tao aorian’ny fivoahan’ny lisitr’ireo mpikambana vaovao eo anivon’ny governemanta dia nivoaka koa ny fampahafantaran’ny filohan’ny Rodoben’ny mpanohitra ho an’ny demokrasia eto Madagasikara, sampana any am-pitan-dranomasina na RMDM diaspora, Faniry Ernaivo, fa vadin’ny zandriny minisitry ny tanora sy fanatanjahantena, Tinoka Roberto, ny minisitry ny tontolo iainana sy fandrosoana lovainjafy vaovao, Vina Orlea. Isan’ny efa nampametra-panontaniana ny maro anefa tetsy an-kilan’izay ny antony tsy hahasahian’ny filoham-pirenena ity minisitra voalaza teo ity, indrindra, taorian’ny “scandale” nataony farany teo tamin’ilay resaka valizy misy kodiarana sy ny tsy hahasahian’ny filoha manala ihany koa ny minisitry ny serasera sy ny praiminisitra.
J. Mirija
Fa maninona ny malagasy no tsy mahatoky mpanao politika intsony ? Fanontaniana isan’ny mipetraka amin’izao vaninandro iainantsika izao io.
Mila omena masomboly, zezika, tany azo hajariana ny tantsaha, hoy ny filohan’ny repoblika, Andry Rajoelina, tany Dakar, Senegal. Izay, hoy izy, no tokony atao ho fampiakarana ny famokarana eto Madagasikara.
Niseho ampahibemaso tetsy amin’ny Hotely Mahatehotia Mandrimena Iavoloha omaly 26 janoary 2023 ny Hetsika LERA, izay ivondronana olom-boafidy toy ny depiote sy ben’ny tanàna ary mpanolontsaina monisipaly,
Tandremo,tandremo sao ho voafitaka isika vahoaka malagasy fa amin'io "lera miala Rajoelina " teny amin’ny Espace Mahatehotia io fa mbola Rajoelina no ao ambadik'io, hoy ny mpanao politika, Henry Rakotomalala na Riribe.
Dimy andro mialohany hahataperan’ny fanalavam-potoana amin’ny fanavaozana manontolo ny lisi-pifidianana, 9 040 501 no tafiditry ny CENI
Nilaza ny ahiahiny ny amin’ny mety tsy fahampian’ny tetibola ka tsy ahafahana mikarakara ny fifidianana ny eo anivon’ny CENI,