airtel

Politique

16-sept-2022

Politique

Fitondrana Rajoelina Takonana amin’ny serasera ny tsy fahombiazana

Sample post image

Taomina amin’ny kamio, mety hizarana vola, hampijerena fampisehoana maimaimpoana, avy eo alaina sary,… dia hoe: lany i Andry Rajoelina amin’ny 2023!

16-sept-2022

Izany no endrika isehoan’ny politika ankehitriny, io no fomba hoentina mitaiza ny sain’ny olona fa mbola tena mamim-bahoaka, ary lojika ny fandresena amin’ny taona 2023. Miharihary hatrany fa olona tena tompon’ny filalaovana serasera ny Filoha ankehitriny sy ny ekipany, mitantana firenena amin’ny kisehoseho sy ny santionan-javatra. Ny maka fahefana aloha dia tena sarotra ny manndainga fa tena hain’ny volomboasary, niainga tany amin’ny 2009 tamin’ny alalan’ny fanonganam-panjakana, nitohy tamin’ny fahalaniana mampiady hevitra tamin’ny fifidianana 2018, saingy tambony kosa amin’ny fahaiza-mitantana. Anton-kevitra lasitra na “document cadre” hitantanana ny firenena aza tao anatin’ny 4 taona latsaka kely tsy vita, sori-dàlana hitantanana an’I Madagasikara tsy voafaritra, programan’asa miainga amin’ny kitaitaitra hoe: tafita amin’ny fifaninana iraisam-pirenena ny ekipam-pirenena dia hanangana an’izao sy izao,… Milaza ho manam-bola hanohanana an’izatsy sy izaroa mba hojapiana amin’ny politika fa jamba sy marenina eo anatrehan’ny tena olan’ny firenena. Efa herintaona latsaka sisa hitondran-dRajoelina ny firenena, raha toa ka mbola ho kandida satria ny 07 septambra 2023 izy no mila mametra-pialana raha toa ka voahaja ny tetiandrom-pifidianana tokony hotanterahina manaraka eo. Hatramin’izay tsy hita izay tena natao, taitra ny olona tsy taitra, taitra irery vao mamaky takotra ka amin’ny faramparan’ny volana septambra no haroso sy hampahafantarina ofisialy ny PEM (Plan Emergence Madagascar), izay herintaona sy 9 volana aty aorian’ny nilazana fa hanolorana azy vao raikitra.
TSY HISY FAHAGAGANA
Mbola baraingo ny hoenti-manana hanatanterahana azy, miezaka manamboamboatra sary amin’ny sehatra iraisam-pirenena hoe: milamina ny tontolo ara-pandraharahana na “climat des affaires” eto Madagasikara, sangany amin’ny fampiroboroboana indostria I Madagasikara,… kanefa ny sary rehetra miseho ankehitriny, dia tsy misy fahamarinan-toerana na ara-politika na ara-diplaomatika. Tsy misy antoka ara-pitoniana, tsy milamina ara-politika, tsy misy fanjakana tsara tantana, tsy misy demokrasia, firenena tsy mandry fahalemana, angovo tsizarizary, ny toekarena mitotongana,… Endriky ny tsy fahazakana firenena ny sondro-bidim-piainana tafakatra 9,8% ary mbola ambony noho io aza ny tena zava-misy, ny tahan’ny mahantra 80,2% ambony indrindra tao anatin’ny 60 taona, ny laharana eo amin’ny fivoaran’ny maha olona na IDH faha-171 amin’ny firenena 191 ,… Sarotra ny hisy fahagagana ato anatin’ny herintaona farany, ny fampanantenana no hipoapoaka fa raha ny fomba fiasa efa fantatra hatry ny ela. Tsy hisy mpiara-miombon’antoka hidi-kizo lalina ao anatin’ny tsy fahamarinan-toeran’ny firenena, aorian’ny fividianana vao mety hisy tsirim-panantenana. Tsy ny pejy no mila avadika, fa ny boky mihitsy no mila soloina.
Toky R
 

Dans la même rubrique

15-avril-2024

Ny sabotsy 13 aprily teo tetsy amin’ny Espace Fenitra Merimanjaka no nitondrana am-bavaka sy nanolorana ofisialy

Card image cap
15-avril-2024

Noraisina tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Olympia Ampitatafika ny sabotsy

Card image cap
15-avril-2024

Araka ny efa nampoizina, nilatsaka ambany dia ambany ny isan’ireo kandida mirotsaka hofidiana ho

Card image cap
15-avril-2024

Dosiem-pifidianana isan’ny miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny an-dRtoa Voahirana Rajoelina.

Card image cap
15-avril-2024

Tontosa ny faran’ny herinandro teo teny amin'ny Kaominina Ambohitrabiby ny fivoriana fanao

Card image cap
15-avril-2024

Voatolotra ho an'ny vahoakan'i Miadanandriana ny sabotsy lasa teo ireo solosaina ho fampitaovana

Card image cap