airtel

Politique

25-juin-2024

FITONDRANA RAJOELINA

Tompondakan’ny fampanantenana poakaty

Sample post image

Feno 64 taona amin’ity 2024 ny niverenan’ny fahaleovantena an’i Madagasikara. 10 taona tao anatin’io no naha filoha an’i Andry Rajoelina

25-juin-2024

satria efa nitantana ny tetezamita izy (2009-2014) avy eo voafidy ho filoha (2018 -2023) ary mbola voafidy hitantana ny firenena indray mandritra ny 5 taona manaraka ankehitriny.
NIHA NAHANTRA
Tsy nitsaha-nihemotra ihany koa toekaren’i Madagasikara taorian’ny krizy 2009, nitombo be ny isan’ny olona tratry ny tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka zaza 1 amin’ny 2 no miaina izany eto. Olana ny asa, olana ny fampianaran-janaka, olana ny fitsaboana, olana ny famokarana, olana ny fandriampahalemana, olana ny fanana trano fonenana, tojo olana matetika ny tontolon’ny fandraharahana, marary ny vola malagasy.Rehefa naverina nojerena anefa ireo fampanantenana ny asa sy tetikasa nolazaina fa hatao nanomboka ny taona 2019 naha filoha an-dRajoelina dia tahaka ny hoe handroso haingana be ny firenena.
ILES EPARSES
Voalohany ary tena noheverina fa goavana indrindra tamin’ireny ny hoe tsy maintsy averin’i Lafrantsa manontolo amintsika ny « Iles Eparses » na ireo nosy manodidina, tsy misy fiaraha-mitantana izany, hoy i Andry Rajoelina vantany vao nandray ny andraikitra maha Filoha azy izy ny volana janoary 2019.Manome valiteny anareo aho mialohan’ny 26 jona 2019 hoy izy. Inona akory ny teo, nisy fivorivoriana kely in-droa miantaona dia nangiana tanteraka ny fitakiana ny « Iles Eparses ».
TANAMASOANDRO
Nambara ihany koa fa hanorina tanana vaovao antsoina hoe Tanamasoandro eny Ambohitrimanjaka, efa vita ny fanadihadiana, efa vonona ireo mpiara-miasa sy mpamatsy vola, afindra eny ny minisitera rehetra sy ireo sampandraharaham-panjakana ary hisy toeram-ponenana , kianja manarapenitra sy toerana natokana ho an’ny fandraharahana eny. Eny amin’ny lalambe miditra ny Tanamasoandro no hanao ny matson’ny 26 jona isika hoy izy. Tapitra ihany ny taona 2019, 2020, 2021,2022, 2023..tsy nisy an’izany. Nafindra eny Tsimahabehomby Imerintsiatosika indray ilay hoe Tanamasoandro, dia hoe ao no hanaovana ny lanonam-panokafana ny lalaonny Nosy 2023, tsy nisy fa nitsefotra indray.
GASYCAR, PHAMALAGASY
Tsaroana eto ilay fanamby goavana hoe hanangana ozinina lehibe mpamokatra fiara malagasy, Gasycar no anarany, tena hoe nandalo dia niserana tahaka ilay orinasa Pharmalagasy namokatra ny CVO+ sy hoe hamokatra ireo fanafody malagasy avy amin’ny zavamaniry, izany hoe hanomezana sehatra ny raokandro malagasy.Olana mbola tsy nety voavaha hatramin’izao ny momba ny Pharmalagasy izay vao noresahana nandritra ny filankevitry ny minisitra ny volana mey lasa teo fa hoe avotana.Ny fanjakana Malagasy no niantoka ny lany rehetra sy nandrotsa-bola tao, tsy nahitana tombony anefa hatramin’izao fa ny fatiantoka no tena manarapenitra.
FLYOVER
Iza ihany koa moa no tsy nahare fa hoe hita ny vahaolana amin’ny fitohanan’ny fifamoivoizana mihazo ny lalampirenena voalohany RN1 ka apetraka eo Anosizato ny Flyover goavambe.Taona 2021 izany resaka izany, misasaka ihany ity ny taona 2024, fa mbola fitohanam-be tsy anam-paharoa ny eo amin’ny rond point Anosizato, tsy nisy asa natomboka momba ny Flyover izany ao.
BE RESAKA FOTSINY
Mbola nisy ilay fanambarana nipoapoaka hoe tsy hanao politika intsony aho raha tsy vita ny lalampirenena faha 13 , sy ilay hoe ho vita ny 80 km amin’ilay Autoroute Antananarivo – Toamasina ny desambra 2023. Tena hoe resabe tsy misy ohatr ‘izany, fampanantenana mipoapoaka fa ny fanatanterahana tena maivana be. Mampiesona tsotra izao, hoy ireo sahy miteny. Tsy izay vita no lazaina fa mampanonofy vahoaka efa hita fa sahirana. Ny tena olana dia lasa tsy mahatoky an’i Madagasikara intsony ireo mpiara-miasa sy mpiara-miombon’antoka satria mibaribary be fa tsy mahay mitantana ny mpitondra, tsy mahay mametraka laharampahamehana. Mboka tena manjaka eto ny kolikoly, tsy misy antoka ny fampiasam-bola, tsy afaka miroborobo ny fandraharahana. Dia izao iaraha-mahita izao fa potika ny 90% n’ireo lalana vita tara 60 taona lasa izay.Sarana taxibe 5 ariary ny taona ’80 lasa 600 sy 1000 ariary ankehitriny.Mbola ny 40% ny malagasy no tsy mahay mamaky teny sy manoratra. Anisan’ny ratsy kalitao indrindra eto ambonin’ny tany ny fampianarana eto Madagasikara. Lasa resaka fampiesonana sy fambaboana fon’ny mpifidy fotsiny ilay hoe « Madagasikara tsy maintsy mandroso » fa raha ny tena marina dia nihemotra sy niha nahantra isan-taona i madagasikara nanomboka ny taona 2009. Resaka fotsiny no betsaka, resaka fampanantenana poakaty !
RTT
 

Dans la même rubrique

19-juil-2024

Tsy manary namana ny Filoha Rajoelina, izaho no « bête noire » an’ny mpanohitra,

Card image cap
18-juil-2024

Nijanona ho resaka ambony latabatra sy fangaronan-dela ara-politika aloha ilay hoe :

Card image cap
18-juil-2024

Manoloana ny fanenjehana ara-politika miseho lany ankehitriny dia nanambara ny antoko politika

Card image cap