airtel

Politique

11-nov-2021

Politique

Fitondrana Rajoelina Tompondakan’ny fiakaran’ny vidim-piainana sy ny trosa

Sample post image

Tato anatin’ny 20 taona farany, Filoham-pirenena miisa 3 samy mbola velon’aina no nitondra an’i Madagasikara, ary heverina fa mbola hifaninana.

11-nov-2021

Marina fa samy mandrirotra ho nahavita sy nampandroso, saingy afaka mampitaha amin’ny masontsivana maro ny rehetra. Any amin’ny fari-piainan’ny vahoaka no hitarafana azy sy ahafahana mampitaha. Manao ahoana ny fifehezana ny fisondrotry ny vidim-piainana na ny “inflation”? Ahoana ny tahan’ny fitrosana na “taux d’endettement? Aiza ho aiza ny resaka fampidirana an-tsekoly na ny “taux alphabétisation”? Nanao ahoana ny fisondrotry ny harin-karena na ny PIB? Nanao akory ny tahirim-bola vahiny?,… Tany amin’ny 2002 niakaran’i Marc Ravalomanana teo amin’ny fitondrana isika, dia nia tao anatin’ny krizy lalina nandritra ny 7 volana teo ho eo. Maro ny zavatra potika sy rava tao anatin’izany, nandeha hatramin’ny fahirano an’Antananarivo, toy ny fanapahana tetezana, herinaratra,… fa tafarina tonga hatrany amin’ny fiakaran’ny harin-karena 7,1% i Madagasikara tao anatin’ny 7 taona nitondrany. Tonga ny tetezamita rehefa nanongam-panjakana ny 2009, niainga tao anaty krizy ihany koa, saingy vao mainka nilentika ny firenena tany amin’ny 3,3% ny fitomboan’ny harin-karena. Mbola azo hapetraka mandrak’ankehitriny ny fanontaniana hoe : inona izany no tena antony nandrodanana an-dRavalomanana ? Tena nahasoa ny firenena sa vao mainka namarina an-kady? Matetika ny fitenin’ny Filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina izay avy minisitry ny tetezamina ny hoe : tao anaty lavaky ny krizin’ny fanonganam-panjakana no nosintonina hiakatra ny firenena. 5,2% ny fiakaran’ny harin-karena niala teo izy. Niditra indray ny Filoha Rajoelina, mitotongana any amin’ny -6 sy -7% fiakaran’ny harinkarena, izany hoe : niiba tanteraka. Vao ny desambra 2020 ny banky iraisam-pirenena no nilaza fa niampy 1,4 ny fadiranovana eto. Ny trosa mitombo, fa tsy araka ny vava be tamin’ny propagandy, ny vidim-piainana midangana, ny toekarena mitotongana,… Lojika raha niteny amin’izay Atoa Hery Rajaonarimampianina vao andro vitsy hoe:“…Sarotra ny hanarina ny toekarena raha tsy misy teti-panorona matotra. Izay nafafinao no hojijainao, mila paikady,… Isika tsy miambo fa mba sahy miteny hoe: mba haintsika io”. Raha nohivahivaina ho “Mampiesona” Rajao tamin’ny fampiakarana harin-karena 5% mahery dia inona izany hilazana an’ity -7% ity ?

Toky R
 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

Kandida avy amin’ny antoko AREMA miisa 25 no tsy afaka mandray anajara amin’ny fifidianana ho

Card image cap
18-avril-2024

Nanahirana ny nikarakara ny taratasy filatsahan-kofidiana solombavambahoaka tamin’ity,

Card image cap
18-avril-2024

Tongotra mby an-dakana ny fifidianana Solombavambahoaka hotanterahina ny 29 Mey

Card image cap
18-avril-2024

Rava omaly Alarobia 17 Aprily ny DISTIM teo aloha na ny distrika TIM ao anatin’ny distrikan’Avaradrano.

Card image cap
18-avril-2024

Nivoaka ny alin’ny talata ny lisitr’ireo kandida voatazona hifaninana amin’ny fifidianana hatao ny 29 mey.

Card image cap
18-avril-2024

Manana kianja fa tsy azo hilalaovana, manana kaompania fa tsy misy fiaramanidina,

Card image cap