Manapitra fe-potoam-piasana sy manaja tena angamba sisa vahaolana fa raha izao hafainganam-pandeha izao tsy misy antenaina intsony. Lesoka ny hoenti-manana, lesoka ny fananana olona sy hevitra,… Marefo ara-politika, malemy ara-diplaomasia, votsa ara-pomba fiasa fa lasan-ko vavany fotsiny Fanjakana. Manaporofo izany ilay hoe: vao ny volana febroary lasa teo no nikaroka manam-pahaisana na “consultant” handrindra sy handamina ny laharam-pahamehana ao anatin’ny PEM (Plan pour l’Emergence de Madagascar), ary handresy lahatra ny mpamatsy vola. Olan’ny vatsim-pianarana sy karaman’ny mpandraharaha ary ny fitakian’ny mpampianatra, olan’ny orinasa mpanamboatra làlana, mpiasan’ny fahasalamana,… aza gidragidra hatrany vao voavaha kanefa misy aza mbola vaovaha. Amin’ny fomba ahoana no hananana fanantenana intsony an’izao fitondrana izao raha zavatra azo heverina ho madinidinika aza manahirana mainka fa zavatra goavana. Efa vonona sy feno ve ny vola hanaovana ny Tanamasoandro izay nambara fa handray ny lalao olaimpika 2023? Mba aiza ho aiza ilay hoe: fantsona fitarihan-drano lehibe indrindra any Atsimo noresahina ny aogositra 2020? Firy isan-jaton’ny 3 miliara dolara hanamboarana ny lalàm-be migodana na “Autoroute” Antananarivo Toamasina no efa vonona? Namokatra firy litatra izay ny orinasa mpamokatra ethanol any Ambilobe nolazaina fa hotokanana ny 08 desambra 2019? Ary efa tonga ve ilay solosaina isam-pokontany nolazaina sy nampanantenaina tamin’ny 08 aprily 2020? Firy isan-jaton’ny tanora any Alaotra no nahazo tany 1ha avy? Fampanantenana poakaty no betsaka kanefa mbola mirarakopana sy hirarakopana ny hafa. Sao mba tokony hampidirina amin’ny lalàm-pifidianana ihany koa ny hoe: inona ny sazy na fepetra raisina amin’ny mpanao politika mamahan-dalitra vahoaka fotsiny amin’ny propagandy fa rehefa tonga eo tsy hita izay tena ataony ?
Toky R
Ankoatra ny fandokafana nataon’ny ankamaroan’ny depiote mpomba ny fitondrana ary ny kiana mivaivay nataon’ireo depiote avy amin’ny antoko mpanohitra,
Miditra ao anatin’ny kihon-dàlana politika vaovao ny antoko Tiako i Madagasikara na ny TIM, izay mankalaza ny faha-20 taona nijoroany manomboka anio 30 jona 2022.
Notorian’Atoa Maharesy Roi Francis Ben’ny tanànan’Ankavandra teo aloha tompon’ny orinasa ETS AR Business any amin’ny Sampana fitarainana eo na “bureau de doléance” eo anivon’ny Fiadidian’ny Repoblika ny Depiote
Araky ny lalampanorenana, ny governemanta sy ny parlemantera, ny fifandraisany, indrindra, ny fanaovana lalana, dia ny parlemantera manara-maso ny mpanatanteraka, hoy ny antoko politika Teza.
Fampalazana tena na « populisme » no mbola hanarontsaronana ny tena zava-misy iainan’ny vahoaka no tena ataon’ny Fitondrana Rajoelina ankehitriny.
Mbola mila ezaka goavana ny resaka fitsinjaram-pahefana sy fitsinjarana ara-bola mba hoenti-mampiodina sy mampandroso ny firenena,