airtel

Politique

05-mars-2021

Politique

Fitsarana an’i Rolly Mercia Tsy voahaja ny zon’olombelona

Sample post image

Hiakatra fitsarana indray ny Minisitry ny serasera teo aloha Atoa Harry Laurent Rahajason na Rolly Mercia anio 5 martsa.

05-mars-2021



 Naiditra am-ponja ny 16 jolay i Rolly Mercia, ary nohelohina 44 volana an-tranomaizina ny 15 oktobra 2020 noho izy notondroina fa naniraka ireo mpanao fihetsiketsehana nitakiana ny fanafahana an’I Berija Ravelomanantsoa ny 13 jolay 2020. Efa in-dimy raha kely no nolavina ny fangatahana fahafahana vonjimaika. Ny alarobia 3 martsa 2021 teo, namoaka fanambarana ireo mpisolovava teratany vahiny roa mpiaro an’i Rolly Mercia, Maitre William Bourdon sy Amélie Lefbre, fa mifanohitra amin’ny fehezan-dalàna famaizana eto Madagasikara, manitsakitsaka ny zo maha olona, izay arovan’ny fifanarahana iraisam-pirenena ny mbola fitazonana ny olona arovany. Nandritra ny fiakarana fitsarana ny 5 febroary, mbola nanamafy i Félicien Randriambolatiana taorian’ny fifonana nataony, fa tsy misy hidiran’i Rolly Mercia ny raharaha, fa nisy mpanao politika naniraka azy fa hafahana madiodio raha manendikendrika ity Minisitra teo aloha ity. Manamafy ireo mpisolovava an’I Rolly Marcia roa any ivelany ireo, miampy ny Maitre Eric Rafidison fa misy tsy fanarahan-dalàna maro ny mbola hitazonana an’i Rolly Mercia, izay nangataka fahafana indray ny 12 febroary, saingy tsy nahazo rariny, na efa nanala azy aza i Félicien. Nohamafisina, fa nandefa fitoriana any amin’ny Komitin’ny zon’olombelona eo anivon’ny Firenena Mikambana na ny ONU ny 04 febroary noho ny fanitsakitsahana ny zon’olombelona sy zo fototra maha olona. Ny 11 febroary, dia efa nahazo valiny fa azo raisin any fitarainana, ary hodinihina, raha toa ka 3 na 4 volana izany amin’ny ankapobeny. Efa lasa raharaha iraisam-pirenena izy io, ary maro ireo sampan-draharaha manaraka akaiky azy. Ny 5 aogositra 2020, ohatra, dia efa nisy ny tatitra nataon’ny Amnesty International eo anatrehan’ny fanenjehana, fisamborana, fanangadrana maro ataon’ny Fitondrana, ka isan’izany I Rolly Mercia.

 

Nambaran’ny Mpisolovava William Bourdon sy Amélie Lefèbre, fa ny famoronana vesatra vaovao nitorian’Atoa Mamy Ravatomanga an’I Rolly Mercia noho izy notondroina ho nijoro vavolombelona mandainga mikasika ny raharaha hanenjehana ity farany any Frantsa, dia maneho ny ambadika politika miharihary hoenti-mamotika an’i Rolly Mercia.

Toky R

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Miala any sahady ny lalao maloto ho an’ny fifidianana Solombavambahoaka tanterahina ao anatin’ny distrikan’Avaradrano.

Card image cap
22-avril-2024

Etsy amin’ny La Rotonde Besarety amin’ity tolakandro ity no hifamotoana ireo mpahailalàna,

Card image cap
22-avril-2024

Nafana ny fihetsiketsehana nataon’ny mpitondra notarihin’ny Filoham-pirenena tany

Card image cap
22-avril-2024

Nidina ifotony teny Talatan’i Volonondry sy Ambolo ny kandidan’ny Kolekitifa an’ny

Card image cap