airtel

Politique

04-oct-2022

Politique

Fitsarana avo 4 taona, tsy hita hoe ahoana !

Sample post image

4 taona, tsy hita hoe ahoana! Izay no azo hamintinana ny antom-pisian’ny fitsarana avo na ilay antsoina amin’ny teny frantsay hoe “Haute cour de justice” teto Madagasikara.

04-oct-2022

Ity rafitra natsangana ny taona 2018 ity, raha tsiahivina, no nifanarahana ho afaka hitsara ireo olona ambony eto amin’ny firenena raha misy fiahiahiana azy ireo ho nanao ratsy na nahavanon-doza teto amin’ny firenena. Maromaro ihany izay dosie mikasika olona ambony, voafidy sy voatendry izay, saingy mbola tsy nisy heno hoe tafandalo tao aloha. Eo amin’ny afo fandiovana antsoina hoe antenimieram-pirenena no miverina any amin’ny faribolana ny baolina, hoy ny fanehoan-kevitry ny antoko politika Teza izay. Ity andrim-panjakana ity tsinona, raha tsiahivina, no natao handinika ireo dosie mikasika izay olona ambony izay aloha ka rehefa ireo no miteny hoe tsy mandeha HCJ izany intsony ity dia efa “bye bye Bresil”, hoy ny fomba filazan’ny mpamakafaka, Harifidy Ramanandraibe azy izay. Rahoviana ihany aza izany ity rafitra ity vao tena hanao ny asany? Tena ny rafitra natao hisahana ny fampihavanam-pirenena toy ny CFM tokoa ve no tokony ho ravana sa ny rafitra toy itony ?
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Miala any sahady ny lalao maloto ho an’ny fifidianana Solombavambahoaka tanterahina ao anatin’ny distrikan’Avaradrano.

Card image cap
22-avril-2024

Etsy amin’ny La Rotonde Besarety amin’ity tolakandro ity no hifamotoana ireo mpahailalàna,

Card image cap
22-avril-2024

Nafana ny fihetsiketsehana nataon’ny mpitondra notarihin’ny Filoham-pirenena tany

Card image cap
22-avril-2024

Nidina ifotony teny Talatan’i Volonondry sy Ambolo ny kandidan’ny Kolekitifa an’ny

Card image cap