airtel

Politique

24-juin-2021

Politique

Fitsarana heloka ara-toekarena sy ara-bola, fanagiazana Naverin’ny loholona amin’ny PAC ny fahefany

Sample post image

Nolanian’ny antenimierandoholona, saingy narahina fanintsiana 7 teo ny tolo-dalàna laharana faha 01-2020/PL tamin’ny 02 jolay 2020 « modifiant,

24-juin-2021

 complétant et abrogeant certaines dispositions de la loi n°2016-021 sur les Pôles Anti-Corruption », natolotry ny Solombavambahoaka Idealson. Naverin’ny antenimierandoholona any amin’ny PAC ny fahefana hitsara ny heloka ara-toekerana sy ara-bola amin’ny fanagiazana ny fananana mialohan’ny fitsarana, raha notsoahin’ny solombavambahoaka Keron Idealson tao anatin’ny volavolam-panintsiana nataony, efa nolanian’ny antenimieram-pirenena. Nomena ny fitsarana tsotra kosa ny fahefana momba ny raharaha ara-toekarena sy ara-bola misy resaka ny fivadiham-pitokisana, fisolokiana,… Ao anatin’ny fahefan’ny PAC kosa ny famotsiam-bola, famatsiam-bola ny fampihorohoroana,… ary toy izany ihany koa ny resaka hosoka amin’ny fadin-tserasana. Nahena ho 3 taona azo havaozina toy ny rafi-pitsarana rehetra ny fe-potoana hiasan’ny mpitsara ao amin’ny PAC, raha toa ka 4 taona tsy azo havaozina kosa ny tolo-kevitry ny depiote,… Hevi-dehibe enina no manamarika ny fanavaozana nentin’ny depioten’Ampanihihy ao anatin’ity tolo-dalàna ity : Ny fanamafisana ny fisian’ny ny boky firaketana ny fananana izay notazomina, nogiazana na nogejaina, ary ankinina amin’ireo rantsana miandraikitra ny fitsarana manokana hiadiana amin’ny kolikoly ny fitazomana izany boky izany. Ny fanamafisana ny fanafoanana ny fanagiazana fananana mialohan’ny fivoahany didim-pitsarana. Ny fanamafisana fa ny fahefana ananan’ny PAC, dia fahefana hitsara ireo fandikan-dalàna mifandraika amin’ny kolikoly, ny fandikan-dalàna amin’ny famotsiam-bola, ary ny famatsiam-bola amin’ny fampihorohoroana. Ny fanesorana amin’ny fahefan’ny fitsarana PAC ny fitsarana ireo fandikan-dalàna ara-ekonomika sy ara-bola na inona na inona fahasarotany. Ny fanovana ny fe-potoana hiasana,… Tsy maintsy haverina eny amin’ny depiote izany ny fandaniana ka asa na hotazonina ny fanintsian’ny loholona na tsia ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Mankahery ny vahoaka malagasy manoloana ny zava-misy ankehitriny

Card image cap
28-mars-2024

Nisy omaly 27 martsa takariva ny karazana fandaharana sy fanambarana nataon’ny PAN.

Card image cap
28-mars-2024

Ankoatra ny fitoriana mba hanonganana tsy ho depiote ny Filohan’ny Antenimierampirenena Rtoa Christine Razanamahasoa,

Card image cap
28-mars-2024

Nidoboka am-ponja ao Antanimora efa tapa-bolana izao Atoa JR lehiben’ny faritra Analanjirofo tamin’ny fitondrana Rajaonarimampianina,

Card image cap
28-mars-2024

Misedra olana marolafy ny firenena na ara-politika na ara-toekarena na ara-tsosialy!

Card image cap
28-mars-2024

Manamafy ireo mpikatroka ifotony ao anatin’ny Antoko TIM ao anatin’ny distrikan’Avaradrano,

Card image cap