airtel

Politique

08-juin-2022

Politique

Fitsarana momba ny kolikoly Mavesatra ny fiampangana ny Ben’ny tanàna

Sample post image

Nametraka fitoriana ny Ben'ny tanàna Naina Andriantsitohaina sy ireo rehetra ambarany fa tsikombakomba aminy na olom-boafidy na olom-boatendry teny amin’ny Fitsarana momba ny kolikoly na ny PAC (Pôle Anti-Corruption) ny Mpanolontsain’ny tanànan’Antananarivo Rtoa Clémence Raharinirina sy ny mpisolovava azy azy Maître Eric

08-juin-2022

 Rafidison omaly 07 jona 2022. Misy mpanolontsaina monisipaly ao ka singaniko manokana Rtoa Lalatiana Ravololomanana, ireo mpanolontsaina IRK be dia be, Tale maro samihafa, hoy ity mpanolontsaina monisipaly ity. Betsaka ny vesatra ary mahatratra 13 pejy ny dosie sy ny porofo mafonja mirakitra io fitoriana io, raha ny nambaran’ny mpitory. Isan’izany ny raharaha fakana volan'ny CNAPS (Caisse Nationale de Prévoyance Sociale) 11 miliara Ar, ny resaka SMGD (Société Municipal de Gestion Digitale), ny SMA (Société Municipale de l’Assainissement) sy ireo orinasa maro naorina eo anivon'ny CUA izay nambaran’io mpanolontsaina io fa tsy nandalo fankatoavan’ny mpanolontsain’ny tanàna, ny kiantranoantrano, fanodinkodinana volam-panjakana, kolikoly, fanaparam-pahefana,… Mbola nitoriako azy koa ny "représailles" ny amin'ity fitoritoriana lava atao anay mpanolotsaina mahasahy mijoro mitoroka ny fandikan-dalàna ity, Izay helohin'ny lalàna manankery, hoy i Clémence Raharinirina. Isan’ny niteraka adihevitra moa ilay volan’ny CNaPS toa misy fifamatorana amin’ny SMGD nanoloana ny Easy Park izay nanana trosabe tamin’ny kaominina noho ny fanapahana fiaraha-miasa. Io no mitantana miantsoroka ny fitakiam-bola sy fitantanam-bola, ka ny 30% amin’ny vola azo no makany aminy, ary ny 70% kosa no miditra any amin’ny kaominina, raha toa ka tokony ho asam-panjakana madiodio ny fitakiana haba sy hetra.
2 SY 8 NY FIFAMPITORIANA HATRETO
Notsiahivin’i Clémence Raharinirina fa efa nisy fandikan-dalàna tamin’izany fotoana nentina teny amin’ny Tribonaly misahana ny ady ifanaovana amin’ny Fanjakana nangatahana ny fanaisorana ny ben’ny tanàna, fa ity any amin’ny PAC dia resaka ady heloka mihitsy, mafimafy kokoa, mavesatra sy mafonja ny porofo… Nambarany omaly ihany koa fa tao anatin’ny iray volana izy ireo tsy afaka niteny noho ny raharaha sokajiany ho fitoritoriana fahatany ho nanala baraka tamin’ny haino aman-jery sy ny Facebook. Noho io antony io, dia napetraky ny fitsarana ho teo ambany fanaraha-masony na “sous-contrôle judiciare”, saingy efa nesorin’ny fitsarana izany ny alakamisy teo. Na inona na inona antsojay, izahay tsy mihemotra hiady amin’ny fampankana ny rariny sy ny fahamarinana, hoy izy. Fitoriana faharoa nataon’i Clémence an’i Naina Andriantsitohaina io, raha toa ka efa im-balo teo no nitorian’ity farany azy. Ekena fa mpanefoefo sy mampiasa vola be ny toriana, saingy tsy misy maharesy vahoaka izany inoanay fa ao an-damosinay, ary tsy hihemotra aho amin’ny fametrahana ny fahamarinana, hoy i Clémence Raharinirina.
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap
24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap