airtel

Politique

03-juin-2025

Fitsidihan’ny Filoha Slovenina manomboka anio

Holalaovin’ny Fitondrana ara-tserasera fotsiny…

Sample post image

Hanatanteraka fitsidihana ara-panjakana eto Madagasikara ny Filoha Slovenina Nataša Pirc Musar

03-juin-2025

anio 3 sy rahampitso 4 jona 2025. Mpahay lalàna sy mpanao gazety taloha izy, vehivavy voalohany tonga teo amin’ny toeran’ny filohan’ny Repoblika ao Slovenia. Fitsidihana voalohany ataony aty amin’ny faritry ny Ranomasimbe Indianina. Tontosaina hanehoan’ny roa tonta dia i Madagasikara sy Slovenia faniriana hanome ainga vaovao ny fiaraha-miasany ara-diplomatika. Niforona nanomboka ny taona 2005 ny fifandraisana teo amin’ny Firenena roa tonta, saingy hatramin’izao dia somary nangina sady tsy dia nahitana fivoarana mazava ireo fifanakalozana. Ankehitriny anefa, miandrandra ainga vaovao amin’izany fiaraha-miasa izany, indrindra amin’ireo sehatra lehibe sy manan-danja mifandraika amin’ny tombotsoa iraisana. Voiziina mafy fa tombony lehibe ho an’i Madagasikara ity fitsidihan’ny filohan’i Slovenia ity, hanokafana sy hanitarana ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena. Amin’ny alalan’ity dia ofisialy ity, dia maneho fahavononany hanokatra adihevitra vaovao i Slovenia, indrindra ao anatin’ny tontolo ankehitriny izay mitaky fiaraha-miasa lalina sy havaozina eo amin’ny sehatra jeopôlitika, toekarena ary toetrandro, hoy hatrany ny serasera mandeha.Voalahatra ao anatin’ny fandaharam-potoanany ny fihaonana mivantana amin’ny filoha Andry Rajoelina ao amin’ny Lapan’i Iavoloha, mandritra ity fitsidihana ity. Hiandrandrana sonia fifanarahana fiaraha-miasa, indrindra eo amin’ny sehatry ny tontolo iainana, fizahantany maharitra, fikarohana siantifika, ary fiarovana nomerika,... raha ny serasera mandeha. Na izany aza, manjavozavo amin’ny maro ny fanantenana, satria ahiana ho resaka endrika ivelany fotsiny ity fitsidihana ity, raha tsy misy fiovana lalina sy ezaka mivaingana ho an’ny vahoaka. Tsy dia misy zavatra goavana antenaina, fa zary endrika filalaovana serasera ivelany ihany. Tsy tena misy fanavaozana fototra sy politika mivaingana ka betsaka ny fanehoan-kevitra manamafy fa mety ho fanehoana fotsiny eo anatrehan’ny mpanara-baovao iraisam-pirenena ihany, fa mahomby ny politika sy diplaomasian’ny Fanjakana Rajoelina. Efa nolalaovina mafy izany tamin’ny fitsidihana ara-panjakana nataon’ny Filoha Frantsay Emmanuel Macron, saingy tsy hita izay vokany, tsy tena misy zavatra mivaingana ho an’ny Firenena, tsy nahaleo ny sarany ny vidiny,… Miandry vokatra hita maso sy mivaingana ary azo tsapain-tanana rahateo ny Malagasy eo anatrehan’ny zava-manjo ny Firenena ankehitriny, fa tsy kabary sy serasera lava.
Toky R

 

Dans la même rubrique

05-juin-2026

hidina any amin'ny Fokontany nihaviany avy

Card image cap
05-juin-2026

hafaingano ny fikaonandoham-pirenena"

Card image cap
05-juin-2026

mandroso any amin’ny fanavaozana»

Card image cap
04-juin-2026

Naneho ny fankasitrahany ny fitondram-panjakana

Card image cap
04-juin-2026

Aoka ny tombotsoa ambonin’ny Firenena no hokatsahina »

Card image cap