airtel

Politique

16-déc-2022

Politique

Fitsipaham-pitokisana natsefotra Manomboka mifototra amin’ny Filoha ny raharaha

Sample post image

Nandefa taratasy manontany ny hevitry ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana na ny HCC momba ny

16-déc-2022

raharaha teny anivon'ny Antenimieram-pirenna ny Fiankevitra ambony momba ny Fiarovana ny Demokrasia sy ny tany tan-dalàna na HCDDED (Haut Conseil pour la Défense de la Démocratie et l’Etat de Droit). Ny Fitsabahan'ny filohampirenena amin'ny raharahan'ny antenimierampirenena sy ny taratasy nataon'ny Birao maharitra nanafoana ho tsy manan-kery ilay fitsipaham-pitokisana ny governemanta na “Motion de censure” tamin'ny 8 desambra 2022, no nakàn'izy ireo ny hevitry ny Fitsarana Avo momba ny lalàmpanorenana. Manontany ny maha ara-dalàna sy araka ny lalàmpanorenana io taratasy nataon’ny Birao maharitra io, ka nanatsaharana ankitsirano teny antenantenany ilay fitsipaham-pitokisana, fa hoe: tsy manaraka ny lalàna sy ny fenitra ka heverina ho toy ny tsy misy. Amin’ny depiote izay hoe: mpanao lalàna 105 ve dia tena tsy misy nahay lalàna tokoa? Ny andininy faha-103 amin’ny lalàmpanorenana moa no mamaritra fa anjaran’ny Antenimierampirenena no manara-maso ny mpanatanteraka, ary manana fahefana feno hanao fitsipaham-pitokisana ny governemanta izay tsy maintsy ankatoavin’ny antsasa-manila ny fangatahana, ary tsy maintsy lanian’ny 2/3 ny fitsipahana aorian’ny 48 ora nametrahana azy, ka raha lany dia mametra-pialana ny governemanta. Raha ny andiny faha-201 sy 202 amin’ny fitsipika anatin’io andrim-panjakana io dia tsy azo sintonina intsony na koa anampiana na analana ny sonia rehefa tafapetraka. Nitsefotra teny an-dalana anefa ilay fitsipahana, rehefa voalaza fa nampiantsoan’ny Filoha teny amin’ny Arena Ivandry ny depiote IRD. Ny lalàna ihany koa no mamaritra fa tsy afaka mihaona mivantana ny depiote sy ny Filoha fa amin’ny alalan’ny taratasy. Misy ny resaka miparitaka ankehitriny momba io toe-javatra io, ary minisitra iray teo aloha no isan’ny manaparitaka ka raha ny voalaza tao dia toa nisy resaka baiko avy amin’ny A... niantefa tamin’ny Lehiben’I Tsimbazaza handefasana ilay “motion de censure”. Nisy ny famoriana depiote ary niteny nisy ny ankolafy rehetra fa tsy IRD irery, nisy depiote iray NR nivoaka ny trano ary niantso ny A…. nanamarina, ary niditra tonga dia nangataka hanao sonia. Voarakitra ao anatin’ity resaka ity ny 5 tapitrisa Ariary no nozaraina. Niantso indray I P…. hoe: hajanony. Nandeha ny fanazavana hoe: tsy mety intsony, ny fitsipika anatiny mihintsy no manamafy fa tsy mety, ary teo no nahatonga ilay hoe: mivory any amin’ny foibe. Dia tao I A sy R nandeha ny fanerena hoe tsoahay io. Tsy nanaiky ny Lehiben’I Tsimbazaza, ary teo no nanomboka ilay resaka hoe: hiala sy nitomanty sy ilay ny hoe: tsy miala ianao. Nisy resaka hatramin’ny hoe: ampiana 10 tapitrisa Ar ho an’izay misintona ny soniany, raha ilay resaka niparitaka.
POLITIKA AVO LENTA, ADY MANGATSIAKA
Raha haravona, politika avo lenta iny, endriky ny ady mangatsiaka ao anatin’ny Fitondrana ankehitriny, adin’ny samy andrim-panjakana. Misy endrika fifampisehoan-kery ara-politika sy ara-bola. Tonga amin’ny resaka fanitsakitsahana mivantana na ankolaka ny lalàna. Inona no hambaran’ny HCC? Na inona na inona ho setriny, toa efa misy manangona fiampangana matevina eo anatrehan’ny fihetsiky ny Filoha eo anatrehan’ny endrika tsy fanarahan-dalàna maro any ambadika any. Inona no hitranga aoriana kely ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

Kandida avy amin’ny antoko AREMA miisa 25 no tsy afaka mandray anajara amin’ny fifidianana ho

Card image cap
18-avril-2024

Nanahirana ny nikarakara ny taratasy filatsahan-kofidiana solombavambahoaka tamin’ity,

Card image cap
18-avril-2024

Tongotra mby an-dakana ny fifidianana Solombavambahoaka hotanterahina ny 29 Mey

Card image cap
18-avril-2024

Rava omaly Alarobia 17 Aprily ny DISTIM teo aloha na ny distrika TIM ao anatin’ny distrikan’Avaradrano.

Card image cap
18-avril-2024

Nivoaka ny alin’ny talata ny lisitr’ireo kandida voatazona hifaninana amin’ny fifidianana hatao ny 29 mey.

Card image cap
18-avril-2024

Manana kianja fa tsy azo hilalaovana, manana kaompania fa tsy misy fiaramanidina,

Card image cap