airtel

Politique

09-déc-2022

Politique

Fitsipaham-pitokisana ny governemanta Nampandeferina noho ny tombotsoa politika

Sample post image

Praiminisitra sy governemanta mandika lalàna, fahoriam-bahoaka tsy voajery, afera maloto toy ny volamena nanjavona sy ny trafika,

09-déc-2022

orinasam-panjakana ratsy tantana, olana ara-tsosialy sy ara-pivelomana miampy ny fitomboan’ny tahan’ny fahantrana ho 81%, tsy fandriampahalemana, kere tsy voafehy, fahorian'ny any atsimo, ny fandraharahana feno ampihimamba sy figiazan'olom-bitsy ny harena, ny fahasimban'ny tontolo iainana,… ireny no isan’ny fiampangana nentin’ny depiote tao anatin’ilay volavolana fitsipaham-pitokisana ny Praiminisitra Atoa Ntsay Christian sy ny governemantany. Nitsimbadika ny rasa avy eo, ka toa nosokajiana ho tsy mitombina indray noho ny tombotsoa ambony ara-politika. Niova ny zava-drehetra rehefa nisy ny fampanantsoana ireo depiote IRD teny amin’ny ARENA Ivandry. Nantsoina manokana ihany koa ny Filohan'ny Antenimierampirenena (PAN) Rtoa Christine Razanamahasoa. Misy ny loharanom-baovao milaza fa norahonana mafy ity Filohana Andrim-panjakana ity, saingy naneho fa "Ny vahoaka no andrianina, ka aleo halan'andriana toy izay halam-bahoaka". Voalaza fa nanizingizina fa tsy mizotra amin'ny tokony ho izy ny fanatanterahana ny vina sy veliranon'ny Filoha amin'ny ataon'ny mpanatanteraka, ka mijaly ny vahoaka, mikoroso fahana ny Firenena, ary hamotika sy hananosarotra ny fampandaniana ny Filoha Andry Rajoelina ny taona 2023 ny zava-misy amin'izao. Noterena nanao fanambaràna fa tsy nisy izany fametrahana ny fitsipaham-pitokisana izany, ary nesorina tamin'ny tranokalan'ny Antenimierampirenena izy io ny alarobia hariva. Nilaza ny hametraka ny fialany raha izay no ahavaha ny olana tsy hisian'ny disadisa. Niditra an-tsehatra kosa ny Filoha Andry Rajoelina, hoy ny vaovao, ka tsy nanaiky ny ialany, fa niangavy ny rehetra hoe: "Raha tena tia ahy ianareo, dia esory iny fitsipaham-pitokisana iny, satria mila fitoniana sy fahamarinan-toerana ny fitondrana, ary mila firaisan-kinan'ny rehetra, mba ho tombotsoan'ny Firenena sy ny Malagasy rehetra".
FANAMBARANA HAFAHAFA
Nipoitra avy eo ny fanambaràn'ny birao maharitry ny Antenimierampirenena, izay nisy sonian'ny birao sasantsasany fotsiny, nilaza fa tsy nanaja ny fitsipika fa tsy nanaraka ny fenitra sy ny lalàna ilay fitsipaham-pitokisana, ka heverina ho toy ny tsy misy sy tsy manan-kery. Tsy vitan’io fanambarana nisy sonian’ny birao maharitra sasany, fa nisy nandeha nitokana tamin’ny anaran’ny Filohan’ny Antenimierampirenena Christine Razanamahasoa. Misy ny loharanom-baovao milaza fa tsy tao Tsimbazaza no natao ny fanoratana ilay fanambarana. Porofo, hoy ny loharanom-baovao, dia diso soratra ny “Antenimieram-pirenena” fa “Antenimierampirenena” izany hoe teny tokana no izy raha niala tao iny. Tsy manao sonia eny an-kavia izany PAN, hoy hatrany ny loharanom-baovao. Avy ao Tsimbazaza kosa ny laharan’ilay taratasy. Olona iray ao anatin’ny governemanta no ahiana ho tena tompon’ny hevitra sy nanoratra ny votoatiny. Nisy moa ny resaka niely omaly fa latsa-dranomaso teo anatrehan’ny zava-nisy ity Filohana andrim-panjakana ity, ary manambana hametra-pialana.
Toky R
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Miala any sahady ny lalao maloto ho an’ny fifidianana Solombavambahoaka tanterahina ao anatin’ny distrikan’Avaradrano.

Card image cap
22-avril-2024

Etsy amin’ny La Rotonde Besarety amin’ity tolakandro ity no hifamotoana ireo mpahailalàna,

Card image cap
22-avril-2024

Nafana ny fihetsiketsehana nataon’ny mpitondra notarihin’ny Filoham-pirenena tany

Card image cap
22-avril-2024

Nidina ifotony teny Talatan’i Volonondry sy Ambolo ny kandidan’ny Kolekitifa an’ny

Card image cap