airtel

Politique

25-août-2021

Politique

Fokontany sasany eto Antananarivo Rahonana tsy hahazo tombotsoa izay tsy miditra TGV ?

Sample post image

Mandeha ny fikafika sy ny kajikajy politika. Toa karazan’ny efa ketrika avo lenta mandeha any amin’ny kajikajim-pifidianana.

25-août-2021

 “Tsy haiko izy io na manerana an’Antananarivo manontolo eny na eran’i Madagasikara mihitsy fa ny aty amin’ny boriborintany faharoa dia mitety trano manentana ny olona hiditra anaty TGV io, fa raha tsy izany hono dia tsy mahazo zavatra izay tsy manana “badge” rehefa misy zavatra zaraina, dia roboka tokoa ny olona manatitra sary tapaka sy “photocopie”. May ny olona satria noana dia manao tokoa. Tena marina io Fokontany 3 manodidina anay izao no fantatro fa efa manao daholo ary mahazo olona tokoa”, hoy ny loharanom-baovao sady fijoroana vavolombelona iray. Asa aloha izay mety ho valin-kafatra na fandisoana avy amin’ny TGV, fa izay no ambaran’ny eny ifotony. Efa endrika iray nisehoan’ny mitovitovy amin’izany ny tany Tsiroamandidy namoriana ny mpampianatra iray volana lasa teo izay ka nananganana ny hoe: TGV Fanabeazana. Lazaina fa olom-pirenena manana ny safidiny, saingy mety misy ny matahotra ho tratry ny kakay, ka dia manarak’efa eny. Tombanana ho efa tafiditra ao anatin’ny kajikajy hiatrehana ny fifidianana manaraka, fanerena ankolaka ny olona hiditra anaty antonkon’ny fitondrana. Mety ho efa fanomanana lisi-pifidianana na kajy politika avo lenta ankolaka ihany koa aza,… Ny tena mahonena dia ny fanararaotana ny vahoaka amin’ny fahasahiranany, ary hita taratra hatrany eto amintsika ny “manipulation de masse” na filalaovana saim-bahoaka. Toa mamorona olona na miseho ny olana amin’ny tsy fahaiza-mitantana, dia avy eo mitondra vahaolana tsy mankaiza mba hoderaina ho toy ny Mesia hanavotra. Rehefa maty noana na maty voky ny vahoaka, dia mora ny mitarika sy manery azy mivantana na ankolaka amin’izay hitiavana azy, ka ny eto aloha izao dia maty noana no miseho. Tena atao tahaka ilay fanandramana tamin’ny akoho nataon’i Adolph Hitler ny olona hoe: nosamborina sy nongotana ny volony, ary nivoa-drà, fa rehefa homena katsaka kely dia iny manatona ihany.
Toky R
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Mitohy hatrany ny fitsidihana sekoly eto Fianarantsoa sy ny manodidina, tanterahin'i Docteur Marie Michelle

Card image cap
19-avril-2024

Nolaniana ny didim-panjakana laharana faha 2024-959 manova ny andininy sasany

Card image cap
19-avril-2024

Tontosa omaly alakamisy 18 aprily 2024 tao amin'ny Lapan’ny Antenimierampirenena ny

Card image cap
19-avril-2024

Hita ho mbola niara-nitokan-javatra tamin’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina,

Card image cap
18-avril-2024

Kandida avy amin’ny antoko AREMA miisa 25 no tsy afaka mandray anajara amin’ny fifidianana ho

Card image cap
18-avril-2024

Nanahirana ny nikarakara ny taratasy filatsahan-kofidiana solombavambahoaka tamin’ity,

Card image cap