airtel

Politique

06-juil-2021

Politique

Fomba fiasa sy fampanantenana tsy vita Miha masiaka amin’ny governemanta ireo depiote

Sample post image

Tsikaritra ho niha nasiaka tamin’ireo minisitra tato ho ato ireo depiote ,singanina amin’izany ny fanakianan’ny depioten’i Toamasina Roland Ratsiraka ny minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola

06-juil-2021

 nandritry ny fifanatrehan’izy ireo ny faran’ny herinandro teo ary nilazany fa izahay miresaka aminao nefa ilaozanao milalao telefaonina. Namatrapatratra tamin’ny minisitry ny fitsarana ihany koa omaly ny filohan’ny vaomieran’ny fananantany Naivo Raholdina eo anivon’ny antenimierampirenena manoloana izay nolazainy fa kabary tsy valiana fanakianana nataon’ity minisitra ity taminy nandritry ny “face à face” farany teo hatrany.Na ny fandraisam-pitenenan’ny depioten’Ampanihy Keron Idealson teny amin’ny CCI Ivato koa na tsy dia nanao fanakianana be mivantana aza dia nisy tsindro-paingotra ihany ho an’ny governemanta ny amin’ny tokony hanafainganana ny fanatanterahana ireo zavatra nampanantenaina.Tsy mifannalavitra amin’izany ny an’ny Depiote sady mpanakanto Tsiliva izay nahavoaka teny mihitsy moa hoe : efa fantatra iroe tetikasa fa dia hivavahana mafy izany ny hahatanterahan’izy ireo soamantsara.Ao anatin’izany rehetra izany dia mahoraka ny resaka fikitihana ny mpikambana sasany ao anatin’ny governemanta, satria misy ireo tena tsy mahavita azy hoy ireo solombavambahoaka mpanohana fitondrana.
RTT
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap
24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap