airtel

Politique

13-juin-2025

Fomba fiasan’ity fitondràna ity

Na izy samy izy aza angamba tsy mahazo ny tena tiany atao!

Sample post image

Somary gaga ihany ny mpanara-baovao mahita ireo sarina toeram-pisakafoana na

13-juin-2025

restaurant» amin’ilay fomba heverin’ny fitondram-panjakàna ankehitriny ho manara-penitra araka ny fomba fijeriny miparitaka any anaty tambazotran-tserasera any amin’izao fotoana izao. Toeram-pisakafoana «manara-penitra» mbola tsy vita hatramin’ny farany ary na ny toerana misy azy ireo aza dia efa hanirian’ny bozaka amin’ilay nantsoina tamin’ny andron’ny mpanjaka Andrianampoinimerina hoe «tanety lava». Ny iray any Tsiroanimandidy moa, raha ny fampitam-baovao nomen’ireo nampita ny sary, ary ny iray any Belo sur Tsiribihina. Samy manontany daholo eto izany ny ankamaroan’ny olompirenena izay nahita hoe inona koa ary ity? Izao hatrany ve izany no fomba fiasan’ity fitondràna ity? Na izy samy izy aza angamba tsy mahazo ny tena tiany atao! Izao ve no nandaniana ny volam-bahoaka? Hitondra inona ho an’ny firenena ny fotodrafitrasa mitsangatsangana tsy hita hiafarana, ara-bakiteny tahaka izao? Isan’ireo fanontaniana manitikitika izany rehetra izany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

16-juil-2026

vahoaka amin’ny ady seza lava eto?»

Card image cap