airtel

Politique

18-mars-2022

Politique

Front de libération nationale “Tsy piesy vitsy vaovao no manome fiara vaovao”

Sample post image

Vaovao araka ny filazany azy nefa ny teo ihany no teo fa nampiana kely raha ny governemanta vao natsangana io no lazaina, hoy ny antoko politika FLN na “Front de libération nationale”.

18-mars-2022

 Ny fisiana piesy vaovao amina fiara iray dia tsy milaza fa ilay fiarakodia no lasa vaovao, hoy ny filohan’izy ireo, Iada. Tsy piesy vitsy vaovao no manome fiara vaovao. Ny endriky ny fanamboarana ilay governemanta no mampiheritreritra satria tsy mifanaraka amin’ny heritreritry ny olona rehetra izay niheritreritra fa hisy ny fanovana governemanta na ho fanitsiana aza dia nisy ireo olona noheritreretina fa tsy tokony ho anatin’ilay governemanta intsony. Nefa moa matoa ireo olona ireo tafaverina dia mety tanterany marina angamba ilay hoe naha governemantan’ny fihetsehana na “gouvernement d’action” ilay governemanta teo aloha. Matoa ireo olona hitantsika tao anaty governemanta foana hatrany am-piandohana mandrak’anio dia mahavita an-tsakany sy an-davany ny asa nampandraiketin’ny filohan’ny repoblika sy praiminisitra azy izy. Izany hoe ireny asa hitantsika fa somary manelingelina antsika ireny dia nampanaovin’ny filohan’ny repoblika sy ny praiminisitra azy. Ny asa tsy vita tao anatin’izay 3 taona sy tapany izay aza heritreretintsika intsony hoe ho vita ao anatin’ny 1 taona sy tapany, hoy hatrany ny FLN.
J. Mirija
Legende: Iada
 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

Kandida avy amin’ny antoko AREMA miisa 25 no tsy afaka mandray anajara amin’ny fifidianana ho

Card image cap
18-avril-2024

Nanahirana ny nikarakara ny taratasy filatsahan-kofidiana solombavambahoaka tamin’ity,

Card image cap
18-avril-2024

Tongotra mby an-dakana ny fifidianana Solombavambahoaka hotanterahina ny 29 Mey

Card image cap
18-avril-2024

Rava omaly Alarobia 17 Aprily ny DISTIM teo aloha na ny distrika TIM ao anatin’ny distrikan’Avaradrano.

Card image cap
18-avril-2024

Nivoaka ny alin’ny talata ny lisitr’ireo kandida voatazona hifaninana amin’ny fifidianana hatao ny 29 mey.

Card image cap
18-avril-2024

Manana kianja fa tsy azo hilalaovana, manana kaompania fa tsy misy fiaramanidina,

Card image cap